Hatreto mbola eo am-pikarohana ireo olona voalaza fa nentin’ny rano nandritry ny fahavakisan’ilay toha-dranon’ny Jirama, tao Ambodiakondro Moramanga ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, izay tsy mikely soroka any an-toerana. Araka ny tatitra azo avy amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena any amin’iny faritra iny dia fantatra fa efa razana roa no hita. Ankizikely dimy taona ny iray ary lehilahy ny anankiray. Raha ny fanazavana azo hatrany dia misy vehivavy iray mbola tadiaviana hatreto any an-toerana.
Tsy misy tokoa tsy nitondra takaitra ireo faritra rehetra nandalovan’iny andro ratsy voalohany tamin’ity taona vaovao iny. Raha ny tao Moramanga manokana , ankoatr’ireo tany nihotsaka isan-karazany, nanapaka tanteraka ireo lalana rehetra miditra ao an-tanana, na ny lalam-pirenena faharoa : ny avy any Toamasina sy ny mivoaka aty an-drenivohitra, na ny lalana mankany Anosibe an’Ala. Anisan’ny nampitondra faisana ny mponina indrindra indrindra ny fahavakisan’ity toha-drano ity, izay nahadobo sy nahalasan’ny rano trano maromaro, tsy teo an-tampon-tanana ihany fa tamin’ireo kaominina hafa nandalovan’ny rano. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia tafakatra an’arivony mahery any ho any ireo tra-boina any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo.
m.L