- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversFahaverezana fiara tany Toamasina : Mbola mitohy ny fikarohana

Fahaverezana fiara tany Toamasina : Mbola mitohy ny fikarohana

Efa-taona aty aorina mbola tsy nisy vokany ny fikarohana. Raha tsiahivina dia ny taona 2012 dia fiara sprinter iray no very tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina. Efa tomombana avokoa ireo taratasy mahakasika izany fa ny fotoana hamoahana sisa no andrasana. Rehefa tonga anefa izany dia efa tsy tao intsony ilay fiara ka nampametra-panontaniana ny maro. Rehefa tsy nahitam-bokany ny fanadihadiana teny amin’ny seranan-tsambo dia nametraka fitoriana ny voakasiky ny halatra. Nandeha araka izany ny fikarohana nataon’ny zandary ka olona iray no voarohirohy. Tsy nisy tohiny anefa ny raharaha ka nahatonga saina ny mpanara-baovao. Taty aoriana dia nivadika ny fizotran’ny fikarohana satria ny tompon’ny fiara very indray no voalaza ho naka izany mialoha. Nifampitory ny roa tonta taorinan’izany, ny very fiara sy  ireo miandraikitra ny fampidirana izany eny amin’ny seranana. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola nisy ny valim-pitsarana nivoaka. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra manoloana izany ireo voakasiky ny raharaha.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici