« Niala, hono, ny « permis »m-boritsiloza dia tonga indray ny « permis »m-borondolo … » io no hita eraky ny tambajotra sosialy taorian’ilay fanambarana nataon’ny Masoivohon’i Frantsa eto amintsika tao anaty Facebook, ny alarobia lasa. « Tsy mifanaraka amin’ny fenitra eoropeanina (…) ny fomba fanomezana fahazoan-dàlana mitondra fiara eto Madagasikara, ka dia tsy azo atakalo intsony any Frantsa … ». Nampiroroa saina ny rehetra indray ity fanambarana ity ary maro ireo nihevitra fa « permis » tsy izy indray ary ve ity « biometrique » vaovao ity ? Nitondra fanazavàna manokana ary nanome toky mahakasika izay ry zareo avy eo amin’ny Ivontoerana mpanome izany (CIM), tamin’ny alalan’ny mpiara-miasa amin’izy ireo, ny Talé jeneraly eo anivon’ny orinasa Hephalu Mada, Atoa Dieudonné Razafindrazaka.
Fenitra iraisam-pirenena. « Ny fahazoan-dalana mamily « biometrique » vaovao omena ety anivon’ny Cim, dia tena fahazoan-dalana mamily manaraka sy manaja ny fenitra iraisam-pirenena ». Nanipika ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa raha ny mahakasika ilay fanambarana avy amin’ny Masoivohon’i Frantsa dia tsy mahakasika velively ny « permis biometrique » izy io fa ny « fomba nanomezana izany ». « Izany hoe ilay kalitaon’ny fianarana natao mihitsy mba hahazoana fahazoan-dalana mamily no tian’izy ireo tsipihina manokana, ho tsy mifanaraka amin’ny fenitra eoropeana. Izay anefa tsy andraikitray intsony », hoy izy. Nanome ohatra moa izy hoe ny any ampita mila 30 ora farafahakeliny ny fianarana mamily eny an-dalana kanefa ny aty amintsika zara raha manana 15 minitra indroa isan-kerinandro ao anatin’ny iray volana ny mpianatra dia alefa manala fanadinana. « Marihana anefa, hoy hatrany izy, fa tsy mahakasika ireo Malagasy rehetra any Frantsa io fanambarana io fa natao ihany ho an’ireo tena miorim-ponenana any. Ireo manana fahazoan-dalana mipetraka manokana (visas speciaux) : ireo mamita asa na iraka ary mody avy eo dia afaka mampiasa tsara ity « permis biometrique » vaovao ity ».
Mandeha milamina. Ankoatra izay, mizotra am-pilaminana tokoa ny fanoloana maimaim-poana ireo « permis biometrique » taloha eny amin’ny Ivontoeran’ny Cim fanampiny eny Ankadimbahoaka. Marihana fa ireo manana laharana « permis » taloha miafara amin’ny 0 no raisin’izy ireo amin’ity enim-bolana voalohany ity, izay efa niatomboka ny volana janoary teo. Afa-po ireo izay tonga. « Vetivety ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ary tsara fandray ireo mpiasa » hoy ity raiamandreny iray tonga nanakalo ny azy teny an-toerana. Nanamarika moa ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity ivontoerana ity, Atoa Randriamafehy Briand fa mandray olona manodidina ny 50 isan’andro eo izy ireo ary efa maro ireo fahazoan-dalana mamily vaovao navoaka.
m.L