Iza tokoa moa no nanam-po tamin’ny faharesena goavana nianjady tamin’ny ekipan’i Brezila afak’omaly ? Maro tamin’ireo naka an’ity ekipa voalaza fa andrarezin’ny baolina kitra ity no diso fanantenana. Ao ireo niloka ka very vola, ary vola be mihitsy ho an’ny sasany. Nisy mihitsy aza moa niafara tamin’ny fifamaliana sy … ady an-tsena. Toy izay nitranga tetsy Analakely omaly. Araka ny fanazavana azo dia niloka tamin’ireo ekipa nifanandrina tamin’iny manasa-dalàna voalohany iny izy ireo. Likiliky tamin’ny fahaverezam-bola ny andaniny ka nila vaniny tamin’ny toeram-pivarotan’ny ankilany. Marihina fa samy mpivarotra eo amin’ilay toerana izy roa ireto. Raikitra ny fifampitolomana. Nitagorona ny olona. Soa fa nalaky ny fampisarahana azy ireto raha tsy izany mety ho ratsy ihany ny fandehan’ny tantara. Torak’izany ihany koa ny nitranga teny amin’ny faritra Ankazomanga iny. Raha ny fantatra teny indray dia ny tsy fanekena ny fandoavana vola no nitarika ny ady. Isan’ny ankafizin’ny maro ny miloka amin’ireny lalao baolina kitra malaza eran-tany ireny. Na izany na tsy izany anefa, mba fepero ihany fa sao ny tena no maty alohan’ny baolina eo !
Mike L.