- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanin’Antsahamanitra : Roa lahy mpamaky trano nifanena tamin’ny pôlisy

Ambanin’Antsahamanitra : Roa lahy mpamaky trano nifanena tamin’ny pôlisy

Andro amin’ny telo ora hariva dia efa nahavita « action » ry zalahy ary niomana ny handeha hamonjy fodiana amin’izao, niaraka tamin’ireo entana avy nangalarina. Soa ihany mbola teo ny pôlisy.

Ny andron’ny alarobia lasa teo, raha teo am-pandrindrana ny fifamoivoizana teo amin’ny « rond point » teo Ambanin’Antsahamanitra, tsy lavitry ny trano natokana ho an’ireo mpiady tranainy na ny Ancien combattant, no nahatsikaritra ireto roa lahy hafahafa fihetsika, nilonjehitra gony nisy entana maromaro. Tsy nisalasala nandray andraikitra avy hatrany ireto farany ary nanatona azy ireo. « Nikasa handositra izy ireo saingy tsy afaka niporitsaka fa voatazona » hoy ny fampitam-baovao azo. Tamin’ny fisavàna ireto entana marobe nentin’izy ireo no nahitàna karazan-javatra marobe, izay tsy hain’izy ireo novaliana ny nahazoany azy. Tao anatin’izany : unité centrale, finday, vary ary kojakoja maro isan-karazany. « Nentina nihazo ny biraon’ny Polisy eo Mahamasina ireo lehilahy roa hatao famotorana ary niaiky avy hatrany izy ireo fa entana avy nangalarina avokoa ireo tratra teny amin’izy ireo » raha ny voalazan’ny pôlisy hatrany. Notazomina avy hatrany natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny kaomisaria moa izy roa lahy ireto. Mbola manohy ny fanadihadiany sy ny famotorana kosa ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici