- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Roa lahy nofirain’ny mpanendaka tamin’ny sabatra

Ambatomaro : Roa lahy nofirain’ny mpanendaka tamin’ny sabatra

Roa lahy ireo mpanendaka, roa lahy ihany koa ireo noendahina. Nanohitra ireto farany saingy nitondra antsy lavalela ireo tontakely ka tsy nampifandanja ny hery intsony. Naratra vokatr’izay ireo lasibatra.

Tato ho ato dia lasa miverina indray ny maha faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra Ambatomaro sy ny manodidina eny raha mba efa nilamimdanimina teo aloha. Omaly, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina dia nisy olona anankiroa lasibatry ny mpanendaka, teo amin’ny lalan-kely antsoina hoe « fasana », tsy lavitra ny fiangonana Fjkm ary mitohy mihazo ny lalam-baovao « rocade » iny. Mbola maizina ary somary mangina izany lalana izany tamin’io fotoana io, ka tamin’izay no namelezan’ireo olon-dratsy izay toa niandry fotsiny ny fandalovan’ireo izay mety ho hazany. Ireto roa lahy no nandalo ary avy hatrany dia niantsapazan’ireo tontakely. Nanohitra ihany anefa ireto lasibatra saingy noho ny hery tsy mitovy sy fisian’ny fitaovam-piadiana tany amin’ireo mpanendaka dia nahavita ny nokasain’izy ireo natao ihany izy ireo. Lasa ny vola sy ny finday ary mbola tsy nisalasala namono sy nandratra ihany koa ireto tontakely. Nofirain’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra izy roa lahy ireto. Ny iray no tena vola mafy, hoy ny angom-baovao, izay voa teo amin’ny lohany sy ny tanany, ary noezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Nitsoaka toy ny tsy teo kosa ireo olon-dratsy rehefa avy nahavita ny asa ratsiny.

Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ireo mponina, satria miha-miverina indray ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity. Na vaky trano io, na hala-botry, na fanendahana mitam-piadiana, raha vao maizina fotsiny ny andro, indrindra moa fa ao anatin’ny fahatapahan-jiro, rehefa maraina na alina iny. Ireto toerana ireto no tsy maintsy ahenoana olona miantso vonjy foana, araka ny filazan’ny mponina : « fasana », « ambanin’ny Akanjo », eo amin’ny « sinoa » ary eny amin’ny « Rocade ».

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici