- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Roalahy mpangalatra « batterie » ana andrin-jiro voasambotra

Andohatapenaka : Roalahy mpangalatra « batterie » ana andrin-jiro voasambotra

Mbola mitohy hatrany ! Raha saika efa tapitra ripaka sy tsy mandeha intsony ireo jiron’arabe mandeha amin’ny masoandro tamin’iny lalan’ny digue iny, dia mbola mitohy hatrany ny fangalarana ataon’ireo tsy valahara, mpanimba fananam-bahoaka. Raha ny fanazavana azo mantsy, ankoatry ny « plaque solaire » sy ny « ampoule », izay efa tsy misy intsony tamin’ireo andrin-jiro ireo dia ny « batterie », milevina amin’ny tany, indray no hadian’izy ireo. Omaly, raha teo am-panaovana fisafoana tamin’iny lalana iny ny pôlisin’ny boriborintany fahafito, tetsy Andohatapenaka no nahatsikaritra ny fisian’ireto roalahy somokitra izay tsy izy, nangady ny fototry ny andrin-jiro iray teny an-toerana, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any. Efa nahavita ny asa ratsiny ry zalahy ireto satria vao nanatona ireo mpitandro filaminana dia nitsoaka toy tsy teo izy ireo, niaraka tamin’ny hazany. Tsy lasa lavitra anefa, rehefa natao ny fifanenjehana dia tratra. Mbola teny amin’izy ireo ny « batterie solaire» miisa roa, izay vao nangalarin’izy ireo. Teo no eo ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy tetsy 67ha ireto farany, ho amin’ny famotorana azy ireo. Notanana avy hatrany natao andrimaso moa ireto olon-dratsy mpanimba fananam-bahoaka ireto, mandram-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici