- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntehiroka : Nahitàna loham-behivavy

Antehiroka : Nahitàna loham-behivavy

Vao maraina dia efa nivarahotsana ny olona, indrindra ireo mpanary fako sy ny mpitsindroka izany. Teo amin’ny daba fanariam-pako no nahitàna lohan’olona mifono “sachet”. Rehefa nozahàna izany dia lohan’ny vehivavy iray izay tombanana ho manodidina ny 30 ka hatramin’ny 40 taona. Efa manomboka lanin’ny olotra izany ary vao mainka nampitsangam-bolo ny maro. Tonga teny an-toerana ny mpitsabo mpijirika razana ary hatreto dia azo eritreretina fa io no lohan’ilay vehivavy hita faty ary tsy nisy loha tetsy Faravohitra. Io indray dia afak’omaly no nisy nahita teo an-toerana ny vatany. Raha izay no mitombina dia nariana tamin’ny toerana roa samihafa izany ilay faty mba hampananosarotra ny famantarana azy. Vetivety ihany anefa dia niparitaka ny sarin’ny lohany ary manomboka eo dia ho fantatry ny fianakaviany amin’izay ary azo eritreretina ny handrosoan’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny fantatra dia ny zandary no mandray an-tànana ny fanadihadiana momba ity raharaha vonoan’olona ity. Ny zavatra tsikaritra dia toa mora amin’olona sasany ankehitriny ny manatontosa heloka bevava. Isan’izany ireny halatra voamaso any atsimo izay tena mahatsiravina satria olona velona no hangalàna izany ary avela eo rehefa azo izay nilaina taminy. Miverimberina izany ankehitriny ary misy ihany ny voasambotra saingy tsy mety tonga any amin’ny atidoha mikotrika sy mpividy izany ny sazy. Misy zavatra hafahafa izay tokony handehanan’ny fanadihadiana lalindalina kokoa eto amintsika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici