- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Niverina tamin’ireo mponina ny fitrandraham-bolamena

Betsiboka : Niverina tamin’ireo mponina ny fitrandraham-bolamena

Nahafaly ny mponina any Tsinjarafa-Marokoro, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ary fandresena ho azy ireo, izao fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra tandrify izany amin’ny fisamborana ireo Sinoa niisa folo nanao fadikan-dalàna tamin’ny fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana. Marihina fa niady irery ireo vahoaka tany an-toerana nandritra ny taona maro nisian’ireo Sinoa kely maso, izay niara-niasa tamin’ny goveronoran’ny faritra Betsiboka teo aloha sy PRMP, izay naiditra am-ponja vonjimaika fahasivin’ny volana desambra 2023 lasa teo. Tapitra hatreo, araka izany, ny tebiteby sy firorohana ara-tsaina mahazo ny mponina any amin’ny kaominina Ambakivohitra Marokoro. Isan’ny fitarainan’ny vahoaka any an-toerana moa nandritra ny taona maro nijalian’izy ireo ny familiana sy fahalotoan’ny reniranon’i Mahajamba. Eo koa ny fahasimban’ny tontolo iainana sy fambolen’ny tantsaha izay mila rano. Ny fitrandrahana tahaka itony dia tokony hahazoan’ny mponina eny ifotony tombontsoa sy fampandrosoana maharitra tombony ho an’ny toekarem-pirenena. Mahavelom-bolo ny mponin’i Tsinjarafa sahady izao fampiatoana ity fitrandraham-bolamena ity izao, satria sady miverina mitrandraka izy ireo no miaina tsy misy tebiteby ho an’ny asa fameloman-tenany amin’ny asa volamena.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici