- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCarion : Halatra lalam-by tao anaty oram-be

Carion : Halatra lalam-by tao anaty oram-be

Nanararaotra ny andro ratsy ireo olon-dratsy mba hangalarana ny lalam-by. Ny tsy nampoiziny dia nisy nahatsikaritra izany ary nampandre ny zandary ireto farany. “Manodidina ny tamin’ny iray ora maraina, ny alakamisy teo, no tonga teny an-toerana ny zandary miisa 15. Tsikaritra teo ny fisian’ny fiara Sprinter fitateran’entana. Nandrasana elaela teo ary nisy lehilahy iray nipoitra avy any anaty ala ary nanatona ny fiara. Nosamborina avy hatrany io farany. Ny namany kosa dia tafaporitsaka tao anatin’ny haizina”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Lalam-by efa notapatapahina ho roa metatra isany ary mirefy 17 metatra ny halavany no tra-tehaka tao anatin’ilay fiara rehefa nosavaina. Fantatra koa ny tompon’ny fiara ary nosamborina rehefa nandeha ny fanadihadiana. Natolotry ny zandary ny polisy misahana ny lalam-by ny olona sy ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany, manana sampana manokana misahana an’izany mantsy ny polisy. Loza mitatao ho an’ny lamasinina ity zava-nitranga ity. Miala amin’ny lalany ary mety hivadika izany noho ny fisian’ny lalam-by nesorina. Ankoatra ny fahasimban’ny fitaovana dia mety hiteraka fahafatesan’olona maro izany raha tsy hita rava haingana ny tambajotra mpangalatra lalam-by. Iaraha-mahalala anefa fa mitatitra solika ny ankamaroan’ny masinina eto amintsika ary mainka koa ho loza no mitranga raha sanatria ka mivadika izany. Asa raha mba nandalo kely tao anatin’ny sain’ireo mpanao ratsy ny mety ho vokatry ny nataon’izy ireo. Etsy andanin’izany, tsy maintsy misy mpandray ny vy halatra ao ambadiky ny raharaha toa itony. Mila fongorina koa izany vao hijanona ny halatra vy sy lalam-by.    

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

  1. Ny toy izany kosa Dia efa tsy fahatsiarovantena ho Malagasy intsony,satria ny fananana iombonana mihitsy no fongorina hatao hala-botry ! Tsy misy izay tokony iraharahiana izay fananany sprinter any,fa Ilay toetsainy no Mamery ny tenany sy mirefarefa tanteraka amin ny tany! Mila sazy famaizana henjana ny toy Io tranga Io fa »mpamosavy malemy » !

  2. Rehefa ny Malagasy no tsy tia ny azy ; no tsy mahatsiaro fa ny fananàna iombonana dia haren-dehibe, dia atao ahagaga va ny fototry ny fahantrana ? Aiza ny saina ?
    Madagasikara manan-karena fa ny Malagasy mahantra ? Ny olona no harena na koa fahantrana !

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici