- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDisitrakan'i Maevatanàna : Mirongatra ny tsy fanadriam-pahalemana

Disitrakan’i Maevatanàna : Mirongatra ny tsy fanadriam-pahalemana

Tsy mahasahana ny isan’ny mponina ve ny mpitandro filaminana sa ampiasaina amin’ny zavatra hafa sa misy antony manokana tsy ahafehezana ny asan-jiolahy misy ato anatin’ny dizitrikan’ i Maevatanàna? Io no fanontaniana manitikitika ny saina, manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, saika tsy anavahana na ambonivohitra na ambanivohitra. Milaza miara-mahita ny olom-pirenena aty an-toerana, tamin’ny faramparany taona lasa iny sy fidirany taona 2024 izao fa tsy misy andro tsy andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-basy sy zava-maranitra: vono olona, fanolanana zaza tsy ampy taona… Ny tsikaritra izao dia simba tanteraka ny toe-tsaina, mamono olona tsy misy indrafo ny Gasy. Vao tsy ela akory no nitrangan’ilay vono olona tany amin’ny fokontany sy kaominina Ambalajia, ka namonoan’ireo olon-dratsy zazavavikely vao dimy taona, izay notifirina tsy nisy alaharo no nahitana diam-bala valo ny vatany. Rehefa nohadihadiana anefa ny antony namonoana ilay zazavavikely dia tsy misy antony mari-pototra afa-tsy ny ady tany nisy teo amin’ny rainy izay nanao vava, taoriany fahareseny teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Maevatanàna ny 18 Novambra 2023 lasa teo iny. Ary taminy 30 Novambra kosa no maty notifirin’ireo jiolahy ilay zazavavikely, rehefa tsy nahatazana ny rainy niteraka izy ireo. Marihina moa fa efa naiditra am-ponja 28 Desambra 2023 lasa teo ity farany.

Vao tsy ela ihany koa no nisy dahalo miisa efa-dahy nitondra antsy sy famaky, ny androny Alakamisy lasa teo, tokony tamin’ny enina hariva teto Maevatanàna an-tampo-tanàna, ka roa mianaka tao anaty toeram-pandajana volamena no nidiran’ ireo malaso an-keriny, sady nokapaina tamin’ny antsy lava lela ny tarehany sy haton’izy mianaka. Tsy vitan’izay fa nofaony dahalo ihany koa ny volamena sy ny vola rehetra, izay mbola tsy voafaitra aloha hatreto ny taotaliny zavatra lasany jiolahy. Efa ho atsasak’adiny taoriany fanafihana vao tonga nanao ny fizahana sy fanarahan-dia ny polisy, saingy tsy nisy voiany izany. Ireo mpianaka naratra ihany koa efa nahazo fitsaboana sahaza azy eny amin’ny hopitaly Morafenokely-Maevatanàna no tsy misy hatahorana ny ainy. Heverina fa fotoana izao tokony hanaovan’ny mpitandro filaminana jery todika ny olana sedraina eny am-panatanterahana ny asan’izy ireo fa tsy ho zary fombafomba fotsiny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici