- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaty hita tao Analamalotra Toamasina : Mbola miriaria any daholo ireo nahiana...

Faty hita tao Analamalotra Toamasina : Mbola miriaria any daholo ireo nahiana ho namono

Nahazo fahafahana vonjy maika avokoa ireo olona 8 nahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Zafalie Marie Orlove, tovolahy 20 taona hita faty teny amin’ny moron-dranomasin’i Analamalotra, Toamasina ny 4 septambra 2023. Ny volana oktobra 2023 no nahazo izany ny olona roa tamin’ireo voarohirohy, raha toa ka ny 8 janoary lasa teo no nivoaka ny didy ho an’ireo olona 6 ambiny. Mbola tsy nisy anefa ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity no izao navoaka izao ireo nahiana ho nahavanon-doza, ka manahy ny fianakaviana fa tsy ho hita intsony ny marina mahakasika ity raharaha nahafaty ny fianakavian’izy ireo ity. Raha tsiahivina dia ny 31 aogositra no nivoaka niaraka tamin’ny namany hamonjy alim-pandihizana i Zafalie Orlove. Tsy hita intsony izy nanomboka teo ary nanaovana ombay mitady. Ny 4 septambra no hita teny amoron-dranomasina ny vata-mangatsiaka, izay hita fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Notondrahana asidra ny tavany ary tapaka ny tongotra havanany ary feno ratra ny vatany. Ny fanadihadiana no nahatratrarana ny findain’i Zafalie Orlove tany amin’ireo namany, ka nahafahana nisambotra ireo olona nahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ity vono olona ity. Heverin’ny fianakaviana fa feno tanteraka ny fepetra hahazoana mitazona ireo olon-dratsy, nefa dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Manoloana izany rehetra izany dia manahy ny mety hampanjavona ho azy ity raharaha ity ny fianakavian’ny maty ka manao antso avo araka ny nataon’ny rainy tamin’ny haino aman-jery sy tambajotra sosialy omaly. Miangavy ny tenany mba hijeren’ny minisitry ny Fitsarana, ny praiminisitra ary ny filohan’ny Repoblika akaiky ity raharaha ity, mba hisian’ny mangarahara sy tsy hisian’ny tsy maty manota.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici