- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Zandary iray lavon’ny dahalo

Maevatanàna : Zandary iray lavon’ny dahalo

Mitondra ny galona Lietnà izy ary lavo am-perinasa. Nandritry ny fanarahan-dia izay notarihany mba hanenjehana ireo dahalo izay avy nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sarodrano, fokontany Marofototra ny alatsinainy teo no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina dia efa nanakoako ny feom-basy teo an-toerana. Tao anatin’izany koa no nisy tamin’ireo fokonolona nanampy tamin’ny fanarahan-dia no namoy aina sy maty. Raha ny tatitra azo dia iray no maty ary roa hafa naratra. Nafana ny fifandonana ary nisy dahalo roa lavo sy hafa izay naratra. Avy hatrany dia nisy zandary maro nanampy tosika any an-toerana ary mbola mitohy ny fifanenjehana any anaty akata. Raha araka ny fanampim-panazavana azo dia lefitry ny komandin’ny vondrotobim-paritra ao Maevatanàna ilay namoy ny ainy. Miady aman’aina hatrany ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra sasany izay tena betsaka dahalo. Ny antony dia satria manana fitaovam-piadiana mahery vaika koa ny dahalo fa tsy nijanona tamin’ny basim-borona fampiasany hatrizay. Antony iray koa dia matetika ireo olona efa nanaraka fiofanana miaramila ka tsy voaray no tatazan’ny antokon-dahalo antanan-droa. Zava-misy izay isan’ny mahasarotra ny ady amin’ny dahalo izany ankehitriny. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici