- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpandraharaha novonoina tao Maevatanana : Andrasana ny hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny Fampanoavana

Mpandraharaha novonoina tao Maevatanana : Andrasana ny hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny Fampanoavana

Hatreto dia mbola tsy niakatra Fampanoavana hatrany ireo olona 5 voarohirohy tamin’ilay raharaha famonoana  mpandraharaha mpanangom-bokatra antsoina hoe Andriatsaramahazo Mamiharrisoa Dina, niseho tany amin’ny distrikan’i Maevatanàna. Mbola tazonina eo anivon’ny zandary harany oreto olona ireto na dia efa vita aza ny famontorana azy ireo teo anivon’ny mpitandro filaminana. Mikatso ity raharaha ity raha araka ny angom-baovao, satria mbola tsy salama hono ny mpitsara tokony handray an-tanana izany. Amin’ireto olona dimy enjehin’ny fianakaviana ho nahavanonana ity vono olona tamin’ny fomba feno habibiana ity dia misy ny mpanirika, ao koa ireo nanatanteraka mivantana ny famonoana. Ny iray amin’ireo voasambotra ihany koa dia ny lehilahy iray nahiana ho nifandray tendro tamin’ilay dahalo mpanao fakana an-keriny atao hoe Tsaramiandry Velonaina Mahatombo Fernand, fantatry amin’ny solon’anarana hoe Zaman’i Fôla. Ity farany dia voasambotra tamin’ny volana aprily 2019. Dahalo rain-dahiny mpanao fakana olona an-keriny sy efa notadiavina nandritra ny taona maro, noho ny asan-jiolahy, ary nampitaraina ny mponina any amin’ny faritra Betsiboka. Izany hoe misy amin’ireto voarohirohy ho namono mpandraharaha ireto no naman’io zaman’i Fôla io. Ankoatra izany dia misy mpandraharaha ao Berivotra 5/5 ao ihany koa voatazona amin’ity raharaha ity. Io indray dia voatazona ho anisan’ny naniraka an’ireo jiolahy hanao ny famonoana, satria voalaza fa anisan’ny manelingelina azy ny fisian’io Andriatsaramahazo Mamiharisoa Dina io, izay mpandraharaha tahaka azy.Efa voarohirohy amin’ny raharaha hafa ihany koa io olona io kanefa dia tafavoaka hatrany. Araka ny fantatra dia tsy vao sambany no nisy nikasa hamono ity raim-pianakaviana ity. Efa nisy nanakana ihany koa izy tamin’ny taona 2020. Olona 18 no voasambotra tamin’izany saingy tafavoaka daholo rehefa niakatra fitsarana ny raharaha.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici