- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanambao Verrerie Toamasina : Lehilahy mpamono olona, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tanambao Verrerie Toamasina : Lehilahy mpamono olona, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nisahotaka ny fiarahamonina tao Tanambao Verrerie parcelle 21/71 ny alarobia alina teo tokony tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo. Ny antony araka ny fanazavana dia nisy lehilahy iray tokony ho 60 taona eo, nifanotofan’ny olona sy nodarohana ary novonoina mihitsy. Tao anatin’izany anefa dia voarahona avokoa ireo nikasa haka sary ny zava-nisy mba havoaka amin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza anefa fa teo akaikin’ny jirama ao Tanambao Verrerie no nitrangan’izany fitsaram-bahoaka izany. Vokatry ny daroka nahazo azy dia maty ity rangahy 60 taona ity, ka natsipin’ny olona tao ambany tetezana taorian’izay, ka tonga kelikely taorian’izay ny mpitandro ny filaminana naka ilay faty tao ambany tetezana. Raha ny fanazavana voaray dia ny alarobia 11 janoary nisy tovolahy 22 taona niara-nisotro tamin’io rangahy io amin’ny maha mpiara-monina mpiray Tanana. Niara-nisotro labiera izy mianaka nandritra izany; nefa araka  ny fanazavan’ilay tovolahy nijoro vavolombelona dia hitany ilay rangahy nandraraka zavatra tao anaty verany tamin’izy ireo niara-nisotro. Tsy noheveriny zavatra mamono ilay tao anaty vera, ka nanontany izy hoe “inona no natao tao anaty verako teo?”. Nihomehy fotsiny ilay rangahy, ka nosotroiny ihany ny labiera tao anaty ny verany. Ny alarobia io ihany dia nanomboka narary ilay tovolahy ka nitantara ny zavatra niseho rehetra tamin’ny olona niray trano taminy. Voalaza fa nihombo hatrany ny tsy fahasalaman’ilay tovolahy ka ny marainany ny alarobia 16 janoary teo no nodimandry ilay tovolahy. Ny antoandron’ny alarobia 16 janoary io dia notadiavan’ny namany sy ny fianakaviany ny tranon’ilay rangahy 60 taona, ka mbola eo am-patoriana maka aina antoandro ilay rangahy no voasambotra izy ireo. Nobatain’ireo tovolahy matanjaka ilay rangahy ka nalefan’izy ireo teny amoron-dalana; nanontanian’izy ireo ilay rangahy ny zavatra nataony, ka nihaiky izy fa nasiany poizina mahafaty ilay labiera tao anaty vera nosotroin’ilay tovolahy. Tao anatin’izay koa dia nibaradaka ilay rangahy fa efa olona valo no novoiny tamin’ny fomba tahaka izany, ka ity tovolahy maty ny alarobia teo ity no fahavalo tamin’izany famosaviana nataony izany. Raikitra teo ny daroka fitsaram-bahoaka nahazo azy avy eo ka izao maty izao ilay rangahy be mpamosavy ny mpiray Tanàna aminy ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici