- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Vary simba telo kôntenera saika hodiovina indray

Toamasina : Vary simba telo kôntenera saika hodiovina indray

Raha mbola tsy nangiana akory ny mahakasika ireo vary lo aman-taonina maro tao an-drenivohitr’i Boina, izay nahavoasaringotra olom-panjakana sy tompon’andraikitra ambony isan-karazany dia io ihany koa fa nipoitra ny tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, vary simba nahatratra hatrany amin’ny telo kaontenera tany ho any no saron’ny zandary tao amin’ny trano fitehirizan’entana ao amin’ny magazay iray tao Antanandava, omaly. Raha ny fanazavana azo hatrany dia avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izany vary simba izany ary nentina notaterina tao amin’io trano fitobian’entana io. Mazava ho azy, nokasain’ireo tompon’antoka tamin’izany hodiovina sy haverina eny an-tsena, toy ny nataon’ireo andian’olona tany Mahajanga ihany koa izany. Fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, hoy hatrany ny fanazavana azo no nahafantarana ny zava-nisy. Tsy nisalasala avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana nanao ny fanamarinana sy nandray fepetraka tsy hampiasan’ny tompony izany intsony. « Loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka izany ka voatery nogiazana, mialoha ny didy handorana azy. Mazava ho azy fa tsy maintsy sokafana ny famotorana ka hatolotra ny Fitsarana izay tompon’antoka »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici