- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Vehivavy niboridana sy nihoso-menaka, voasambotry ny fokonolona

Itaosy : Vehivavy niboridana sy nihoso-menaka, voasambotry ny fokonolona

Niezaka ny tsy hikasika na handratra azy mihitsy ireo mpisambotra fa nohidina tao anaty efitrano fotsiny ity vehivavy ity.

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, tokony ho tamin’ny misasakalina tany no voasambotry ny fokonolona rehefa avy nifanenjehana sy nifanakanana ity vehivavy iray, nanakorotana teny amin’ny tanànan’Antanetibe, ao anatin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy. Hatairana ny an’ny mponina tao amin’ity tanana ity tamin’io fotoana io. « Saika nakorontany avokoa ny olona efa tapi-mandry iny. Ary izay toe-javatra izay no nampivoaka ny rehetra. Tetsy andanin’izay, nisy sasany amin’ireo nahatsikaritra no nitsoaka kiririoka, nampifoha ny iray tanana. Tamin’izay fotoana izay, izahay rehetra no nahita ity vehivavy niboridana, nisoho-menaka sy misarakorako volo ity » araka ny filazan’i Maminiana Luckas, isan’ireo tovolahy nivoaka nisambotra izany vehivavy heverina ho mpamosavy izany, ary nandefa ny horontsary nisamborana azy tao anaty tambazotra sosialy. Niara-nientana ny rehetra. Tsy nisy tahotra intsony ary tsy ela dia voasambotra izany olona nanakorontana izany. Nony tratra moa ity farany dia niezaka nifompona tamin’ireo mpisambotra azy. « Tsy hita hoe marary saina na mamo aloha raha ny fahitàna azy fa ny filazany tamin’izany dia hoe misy hery manosika azy hivoaka foana isan’alina ary izay mahatonga azy tonga tany amin’io tanana io » hoy hatrany ny fitantaran’ity tovolahy ity. Marihana fa tsy niantsoana mpitandro filaminana moa izany vehivavy nosamborin’izy ireo izany, raha ny fitantarany hatrany fa nohidina fotsiny tao amina efitrano iray. « Tonga naka azy ny maraina tao ny fianakaviany ary izy mbola niboridana tanteraka no nalefa ». Raha ny fanazavana azo hatrany moa dia tsy mponina eo an-toerana ity vehivavy nosamborin’ny fokonolona ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici