- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai : Mitaky vola « telo tapitrisa...

Fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai : Mitaky vola « telo tapitrisa euros » ireo mpaka an-keriny

Apetraky ny fanjakana amin’ny fianakavian’i Akil Cassam Chenai ; izay tsy vonona ny hanome vaovao azy ireo, amin’izay mety ho fiantsoan’ireo mpaka an-keriny ny havany ny olana amin’ny fahasarotana mikaro-baovao mikasika ity fakana an-keriny ity, izay faharoa sahady teto amintsika tamin’ity vaovao 2018 ity. Nandeha ny feo teto Toamasina, fa « mitaky vola telo tapitrisa euros » amin’ny fianakavin’i Akil ireto mpaka an-keriny ; saingy raha nanontaniana izany ireo mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha, dia nanamafy izy ireo fa « mbola tsy misy ny fitakiana vola » nataon’ireo mpaka an-keriny izany. Marina hoy ireto mpitandro ny filaminana ireto, fa tena tsy ahazoam-baovao ny fianakavin’ity tera-tany indiana manana zom-pirenena frantsay ity, dia manao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo amin’ny fikarohana ireo andian-jiolahy ireto sy hanavotra ny ainy. Izay no mahatonga ny fisavana trano ataon’ireo mpitandro ny filaminana isaky mahazo vaovao izy ireo amin’ireo olona mampiahihay azy ireo, ka isany lasibatra amin’izany hatrany, ny ao amin’ny fokontany efatra ao Andranomadio, sy fokontany roa ao Ambohijafy. Misy mihitsy aza izao olona roa efa nakarina ao Antananarivo hanohizana ny fanadihadiana azy ireo, noho izy ireo heverina fa « tena mifaningotra » amin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai ity. Ankoatra izay, dia tsy misy mpiraharaha kosa ilay tera-tany malagasy mpiasan’ny orinasa SMMC notafihan’andian-jiolahy telo tao an-tranony ao Ambolomadinika « La Poudrette », izay nakan’ireo andian-jiolahy nitondra kalaky azy an-keriny izay noteren’izy ireo nitondra ireo fahitalavitra sy zava-maneno nangalarin’izy ireo tao aminy. Hatreto dia mbola tsy re na maty na velona Atoa Tovolahy, nefa tsy isan’ny hanaovana fikarohana sy nananganana komity manokana ny fikarohana azy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici