Tena sarotra ho an’ny mpanao gazety ny mikaro-baovao mikasika ity raharaha fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai teto Toamasina ny zoma hariva teo ity. Na izany anefa dia misy hatrany ireo tsara sitra-po manome vaovao hatrany mba hahalalan’ny vahoaka malagasy ny tena zava-misy “marina”, noho ity raharaha fakana an-keriny ity izay tena mahasarika ny maro ny tohiny. Araka ny angom-baovao mari-pototra voaray dia tratra ny tsindrin’ny fikambanan’ireo tera-tany Indiana manana ny zom-pirenena frantsay miasa sy monina eto Madagasikara (CFOIM) ny fanjakana malagasy ka mikoropaka tanteraka ary nandefa ireo ekipan’ny “USI: Unité Spéciale d’Intervention” avy ao Antananarivo nanomboka ny alahady 04 febroary teo, hanao fikarohana ireo mpaka an-keriny an’ity tera-tany Indiana Bohra izay feno enin’andro ny tsy nahitana azy popoka izao. Raha ny angom-baovao hatrany dia ireto ekipan’ny “USI” ireto no mitarika ny fisahanana ity raharaha ity, fa mpanampy azy ireo fotsiny ireo mpitandro ny filaminana avy eto Toamasina. Izay mampatsiahy ny raharaha “Arnaud sy Annie” nandefasana GSIS, nefa ireo polisy teto Toamasina ihany no nahita vokatra tamin’ny fanafahana an’i Arnaud sy nahatrarana ireo basy kalach sy bala maro be nampiasain’ireo andian-jiolahy tamin’izay. Hatramin’ny zoma hariva nakan’olona dimi ahy nirongo fiadiana maherivaika an’ity tera-tany Indiana Bohra ity izay nampiharana herisetra teo imason’ny vady aman-janany, sy nahitana ilay fiara FIAT tao Andranomadio nitondrana azy nitsoaka, dia manomboka ny fisamborana nanomboka ny alahady teo. Araka ny angom-baovao mari-pototra natao dia misy olona valo izao mampihaihay mifaningotra amin’ity raharaha ity nosamborina sy mandalo fakana am-bavany. Voatonona ao anatin’ity raharaha ity koa anefa Rtoa Roger Lala Stephanie izay mbola mifonja ao Antanimora araka ny didy nivoaka ny volana setambra 2017 teo, noho ilay raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ary famonoana tamin’ny fomba feo habibiana ity farany ihany koa. Voalazan’ny vaovao aza fa mety hisy ny fakana azy avy ao Antanimora ho eto Toamasina ho henoina mikasika ity raharaha “Akil Cassam Chenai” ity.
Malala Didier