- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Akil Cassam : Hita tao Andranomadio ny fiara “fiat...

Fakana an-keriny an’i Akil Cassam : Hita tao Andranomadio ny fiara “fiat 2995 tr” nitondrana azy nitsoaka

Taorian’ny fakana an-keriny nataon’ireo andian-jiolahy nanafika sy naka an-keriny ny Tovolahy, mpiasan’ny orinasa SMMC, tao an-tranony ao amin’ny fokontany “La Poudrette” Mangarivotra; dia ny fakana an-keriny an’i Akil Cassam teo am-pidirana ny vavahadiny indray  no niseho teto Toamasina, ny herinandro nivalona iny. Samy mbola tsy misy hita izy roa lahy ireo, tsy mbola nisy koa ny fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny azy ireo hatramin’ny ora nanoratana ny vaovao; izay samy hafa ihany koa ny antony nakan’ireo andian-jiolahy azy ireo.

Raha mikasika an’i Akil Cassam, tale jeneralin’ny orinasa SCIM (Société Commerciale et Industrielle de Madagascar), dia tera-tany karana manana ny zom-pirenena frantsay, filohan’ny fikambanan’ny vondrom-pinoana Bohra eto Toamasina, ary filohan’ny fikambanam-ben’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eo anivon’ny “lycée Français” eto Toamasina ihany koa izy. Mpandraharaha amin’ny fanondranana vokatra fanondrana isan’izany ny Jirofo sy ny Lavanila, izay voalazan’ny vaovao azo fa vao nanondrana izany ny orinasa tantanany tamin’ity volana janoary ity. Taorian’ny fakana azy an-keriny tao Salazamay nataon’andian-jiolahy dimy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ireo mpitandro ny filaminana, dia fiara “FIAT Fourgon” mitondra ny laharana “2995 TR” no nitondran’ireo mpaka an-keriny azy nitsoaka. Ny zoma alina tokony ho tamin’ny 08ora sy sasany ihany, izany hoe adiny roa taorian’ny nakana azy an-keriny, dia hitan’ny polisy tao Andranomadio (mampatsiahy ny raharaha fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud, sy ny raharaha Saifoudine) ilay fiara efa tsy nisy olona tao anatiny nefa nahafahan’ireo mpitandro ny filaminana naka vaovao ny tao anatiny. Na tsy nisy aza ny vaovao azo mikasika ity fiara ity, dia ny angom-baovao no nahalalana, fa mpitandro filaminana (?) ao Antananarivo no tompony, izay eo am-panadiadiana izany ireo mpitandro ny filaminana eto Toamasina izao.

Ankoatra izay dia mbola tsy misy ny fangataham-bola nataon’ireo mpaka an-keriny an’i Akil Cassam hatreto raha ny angom-baovao vaovao natao; mangina tsy manome vaovao ny mpitandro ny filaminana ihany koa ireo fianakaviany noho ireo fandrahonana azon’izy ireo amin’ireo mpaka an-keriny, sy ho fiarovana ny ain’ny havany mbola tsy hita popoka, ary ny tsy fahatokisana ny mpitandro filaminana malagasy izay voalaza fa mifaningotra amin’izao raharaha izao. Vokatr’izay dia mandeha an-jambany amin’ny fikarohana sy ny fakana vaovao ary ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana, izay miezaka mafy ny mikaroka ity tera-tany karana Bohra ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici