Efa mandeha tsara ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena izay nanafaka azy teo ambany fanagejan’ireo nihazona azy an-keriny, tao Andranomadio Parcelle 11/41. Na mbola sarotra aza ny mampiresaka azy noho ny zava-nanjo azy sy ny nahafantarany ny fahafatesan’ny anabaviny, dia miezaka mitadidy ny zavatra niainany izy, hanamora ny fikarohana ireo jiolahy.
In’efatra niova trano. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao natao dia in’efatra niova trano i Arnaud sy Annie nandritra ny fihazonan’ireo mpaka an-keriny azy. Fantatra tamin’izany anefa fa trano anaty lalàm-pasika hatrany no nisy azy ireo, ary tsy mifanalavitra ny trano nifindrana in’efatra ireo fa nifanakaiky ihany satria dia an-tongotra amin’ny atoandro na andro hariva no nanaovan’izy ireo izany, izany hoe tsy nivoaka ny tao Andranomadio izany izy ireo, nandritra ny fihazonana azy ireo an-keriny. Fantatra ihany koa fa tsy nosarahana mihitsy izy mianadahy fa nampiarahana foana nandritra izany, ny teo amin’ny trano natoriana no maloto sy misy voalavo, ny teo amin’ny sakafo kosa tsara.
Nofitahina izy dahy. Isan’ny trano nanafenana azy mianadahy ilay trano tao Andranomadio Parcelle 11/42 nahatrarana ilay fiara Mitsubishi ny 20 desambra lasa teo, saingy afa-nitsoaka izy ireo talohan’ny nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Trano fahefatra nifidran’izy ireo tokony tamin’ny 6 ora sy sasany hariva taloha kelin’ny krismasy ilay trano tao Andranomadio Parcelle 11/41 nahitana an’i Arnaud farany teo. Raha ny fanazavana azo ihany koa dia nofitahina izy mianadahy tamin’ny fotoana nahafaty an’i Annie. Nolazain’ireo jiolahy nihazona azy an-keriny fa haterina hody amin’ny ray aman-dreniny mantsy i Annie tamin’ny fotoana nahitana ny fatiny tao Tanambao Verrerie ny alin’ny 20 desambra ny taona lasa; nanomboka teo anefa no tsy nahita ity anabaviny intsony i Arnaud.
Olom-piangonana. “Tsy nampoiziko ho ireo olona ireo no nahitana an’iny zazalahy iny tamin’izao fikarohana azy izao”, hoy ny filoham-pokontan’Andranomadio Parcelle 11/41 nahitana azy. Voalazan’ity filoham-pokontany ity ihany fa “olona tsongoin’olom-bolo eto amin’ny fokontaninay izy mianakavy ireo, noho ny andraikitra raisin’izy ireo eo anivon’ny fiangonana sy ny maha-komitim-piangonana azy mivady, saingy tsy misy tandroka marina ny ratsy dia izao no vokany”. Nomarihan’ity filoham-pokontany ity hatrany fa taorian’ny baiko midin’ny tonia mpampanoa lalàna nanome azy ireo 48ora talohan’ny fetin’ny krismasy, dia nanao fikarohana ireo trano ahiahiana izy ireo saingy tsy nisy vokatra.
Ankoatra izay, dia nivoaka ihany koa izao fa ny zanak’izy mivady nahatrarana an’i Arnaud ireo no mpividy ny sakafo haniny tao anatin’ireo trano roa farany nifindran’izy ireo. Amin’ny maha-mpibizina gazoala an’ity Sylvia ity ihany koa, dia io bizina fanaony io no nampiasaina tamin’ny fahitana gazoala nihosina tamin’i Annie nandritra ny nahitana ny fatiny tao Tanambao Verrerie.
Malala Didier