Isan’ny mpitarika fikambanan-jiolahy mpanao fakana an-keriny tena ifampitadiavana tao Toamasina i Fredo. Araka ny fanazavana azo dia tsy fakana an-keriny misy tao Toamasina ka tsy nahenoana ny narany amin’ny fitarihana ireo ekipany mikasika ity fakana an-keriny ity. Nefa tao anatin’izay asan-jiolahy nataony izany dia afa-nitsoaka hatrany i Fredo, fa ireo namany no mizaka ny fonja.
Tsy nampoiziny. Raha ny vaovao azo dia tsy nanampo ny fahitan’ny polisy azy i Fredo tao Tanambao V, tao amin’ilay faritra antsoina hoe “Firarazana”. Noho ny fahatairany nahita ireo andiana polisy hisambotra azy, dia avy hatrany dia nandositra izy, ka voatery nitifitra hampijanonana azy ireto mpitandro ny filaminana. Tsy nijanonana anefa i Fredo, ka izay no naharotiky ny bala azy, tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Raha ny angom-baovao hatrany dia vao tonga avy any Sainte Marie nanao fetin’ny faran’ny taona izy sy ny mpiambina azy manokana, izay heverin’ireo mpitandro ny filaminana fa i Lejo sy Ramika, noho ny haben’izy ireo mifanaraka tsara tamin’ny vaovao azon’ny polisy. Nefa nandritra izao nahafaty an’i Fredo tao Firarazana Tanambao V izao, dia tsy niaraka taminy izy roa lahy ireo.
“Avis de recherche” telo. Fantatra izao fa efa namoahan’ny polisy fikarohana intelo tamin’ireo asan-jiolahy natao tao Toamasina i Fredo. Izany dia nanomboka tamin’ny fakana an-keriny ny zanak’i Wu Chao Ying sy Rakoto Jean Paul tao Morafeno, raha nampiaraka ireto mpifankatia ireto, ka nitakian’izy ireo vola vahiny 350.000 euros tamin’izay ho takalon’an’ireto mpifankatia. Nanaraka izany ny fakana an-keriny ny zanaky ny tompon’ny orinasa SKT sy ny fanafihana ny volan’ity orinasa ity taorian’izay izay nahavery vola an’arivony tapitrisa ariary izay; ary ny fanafihana ny volan’Ambatovy izay niarahany tamin’i Lejo teo amin’ny lala-mahitsy mihazo ny orinasa Ambatovy, izay nahavery vola am-polony miliara ariary karaman’ny mpiasa nanorina ity orinasa ao Tsararivotra ity.
Telo hafa voasambotra. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana fa misy olona telo indray nosamborin’ny polisy ankehitriny, izay voalaza fa “tena” mifaningotra amin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ity. Efa mandalo fanadihadiana eo anivon’ny kaomisarian’i Tanambao II izay natao foiben’ny fanadihadiana sy ny fiaingan’ny hetsika rehetra ataon’ny polisy misahana ny raharaha. Io angom-baovao io ihany no nahafantarana aloha hatreto, fa isan’ny nanampy betsaka an’i Fredo sy ny ekipany izy ireo, nefa ny fanadihadiana aminy ihany no hamantarana ny momba azy izao. Ireo valo efa voasambotra taorian’ny fanafahan’ny polisy an’i Arnaud kosa dia notohizana ny fihazonana azy hahafahana manamafy ny fanadihadiana atao amin’izy ireo. Ny vaovao, noho izany, no nahafantarana fa mangataka fiarovana manokana i Sylvia, dia hilaza ny marina rehetra momba ny raharaha.
Milaza ny tsy hitsitsy amin’ireo jiolahy efa ifampitadiavana noho ny heloka efa vita tao Toamasina hatramin’izay ny polisim-pirenena, araka ny baikon’ny minisitry ny Filaminana Anatiny amin’ny famongorana hatramin’ny fakany ireo jiolahy ambaran’izy ireo fa fahavalom-piainaminam-bahoaka.
Malala Didier