Misoko mangina ankehitriny ny asan’ireo polisy misahana ny heloka be vava eto Antananarivo sy ny kaomisarian’i Tanambao II; izay mpiara-miasa aminy ao Toamasina, noho ireto farany no angady sy vy nahitana an’i Arnaud tao Andranomadio farany teo iny, niaraka tamin’ireo polisy namany.
Taorian’ireo olona telo nosamborina tao Toamasina izay nahitana ilay mpiasan’ny kaominin’i Toamasina, dia voasambotra ihany koa i Dimitri izao, izay efa miandry ny fampakarana azy eto Antananarivo fotsiny sisa. Araka ny angom-baovao marim-pototra azo, dia efa nisy fotoana nisamboran’ny Gsis an’ity Dimitri ity ny taona lasa, izay efa nanaovana fanadihadiana azy teo anivon’ny “cellule d’enquete” najoro tamin’izay ary efa niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana, saingy nahazo famotsorana vonjy maika ny tenany tamin’izay teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Izay no nahatonga ny fampanoavana nanohitra ny didy vonjimaika nivoaka, ka nahatonga ny raharaha voatery niakatra “chambre d’accusation” ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny 30 desambra 2015 iny. Nandritra io no nivoahan’ny didy fampisamborana an’i Dimitri, saingy tsy voasambotra ny tenany raha tsy ny 04 febroary teo, ka izao miandry ny fitondrana azy ho eto Antananarivo ampiarahana amin’ireo namany efa miandry fitsarana any Ambatolampy sy Antanimora ankehitriny.
Ankoatra izay, dia fantatra ihany koa izao fa isany ho entina eto Antananarivo ihany koa ny serza Pelomaro, ilay miaramila nanao fanakanan-dalana tamin’ny lalam-pirenena faha-05 tamin’ny PA kilalao, ka nahazoan’izy ireo vola 24 tapitrisa ariary tamin’ity mpivarotra hividy entana. Nefa ny antony hitondrana azy eto Antananarivo indray dia noho izy ity efa voarohirohy tamin’ny resaka fakana an-keriny roa taona lasa; koa manahy ny polisy misahana ny raharaha Arnaud sy Annie fa mifaningotra tamin’ny fakana an-keriny azy ireo koa ity serza miaramila eo anivon’ny toby faha-03 ao Toamasina ity.
Malala Didier