Telo andro taorin’ny fakan’olona efa-dahy nitondra basy maherivaika, kalaky, an’i Nizar Pirbay teo am-pidirana ny vavahadiny ny zoma lasa teo, tao Salazamay avaratra, dia mbola tsy hita ny marina momba azy. Ny fiarany nitondran’ireo andian-jiolahy azy nandositra fotsiny no hany mbola hita tao Mangarano II ny sabotsy teo. Araka ny angom-baovao natao ihany koa dia mbola tsy misy ny fifandraisana eo amin’ireo mpaka an-keriny ity mpandraharaha ity sy ny havany, ka mbola tsy fantatra ny vola takian’izy ireo ho takalon’ny ain’ity teratany indiana mizaka ny zom-pirenena frantsay ity. Ny hany fantatra hatreto dia tsy nitsahatra ny nivory miafina ireo teratany indiana mizaka ny zom-pirenena frantsay, indrindra ny manana firazanana Khoja sy Borah eto Toamasina. Manomana hetsika entina hanairana ny fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana ary izay governemanta vaovao eo izy ireo, fa lasibatra lava amin’ity resaka fakana an-keriny nalaza sy nampalaza an’i Madagasikara tao anatin’ny tetezamita hatramin’izao ity. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa mety hanakatom-baravarana ny tranombarony sy ny orinasany ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ireto teratany indiana mizaka ny zom-pirenena frantsay eto Toamasina ireto, saingy mbola tsy fantatra ny fotoana hanaovan’izy ireo izany. Ankoatra izay anefa dia mitaraina ireo mpitandro ny filaminana fa tena mangina tsy miara-miasa amin’izy ireo mihitsy ny fianakavian’i “Zouzou” amin’izao raharaha izao; izay nampatsiahy ny raharaha fakana an-keriny an’i Akyl Cassam farany teo, nefa taty aoriana dia fantatra fa nisy hatrany ny fifandraisan’ny fianakaviany sy ireo mpaka an-keriny azy ary nisy ny vola naloa tamin’izany ho takalon’ny ainy. Raha tsiahivina ihany koa ny zava-misy dia mitovy fa tsy sahala ny fomba nakan’ireo andian-jiolahy nirongo basy kalaky an’i Akyl Cassam sy i Nizar Pirbay, izay samy tao Salazamay avaratra, samy amin’ny fotoana fodiana hariva, samy olona efa-dahy, ary samy teo am-bavahady ihany koa.
Malala Didier