- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Nizar Pirbay : “Tuc-tuc” no nitondrana azy nody

Fakana an-keriny an’i Nizar Pirbay : “Tuc-tuc” no nitondrana azy nody

Navotsotr’ireo andian-jiolahy naka an-keriny azy 10 andro taorian’ny nandoavan’ny fianakaviany vola notakian’ireto andian-jiolahy ireto i Nizar Pirbay, na Zouzou, mpandraharaha amin’ny sehatry ny varotra sy ireo fitaovana fampiasa an-trano ary ireo fitaovana elektronika. Tsy fantatra mazava ohatrinona ny vidin’ny ain’ity teratany indiana mizaka ny zom-pirenena frantsay nisy naka an-keriny ity, satria tsy nanome vaovao mazava mikasika izany ny fianakaviany. Ny vaovao navoakan’ny fikambanana CFMOI, na Fikamban’ireo teratany Indiana mizaka ny Zom-pirenena Frantsay Malagasy tao anatin’ny tambajotra “facebook”, ny talata 03 jolay no nahalalan’ny rehetra izao fahafahany izao. Raha ny angom-baovao dia ny talata io tokony tamin’ny 05 ora maraina izy no navotsotr’ireo mpaka an-keriny azy, ka “Tuc-Tuc” no nitondra azy nody nihazo ny tranony ao Salazamay nandritra izany, izay toerana nakan’ireo andian-jiolahy nirongo basy kalaky efa-dahy an-keriny azy ny 08 jona lasa teo. Ireo tompon’andraikitra ara-pilaminana nantsoina mikasika izao fahavotsoran’Ingahy Nizar Pirbay izao, ny Kly Justin Hary Manantsoa Angelo komandan’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina sy ny kaomisera Raelison Gerverin mitantana ny kaomisarian’ny polisy misahana ny heloka be vava izay nihazo ny raharaha ary ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, dia samy nilaza avokoa fa gaga sy tsy nahalala izany raha tsy ny mpanao gazety no niantso azy ireo. Miteraka ahiahy ho azy ireo izany ankehitriny fa “sao fakana an-keriny niniana natao izao nahazo an’i Nizar Pirbay izao”, satria ny fanazavana azo ihany no nahafantarana fa “ananan’olona sy banky vola be ity teratany indiana ity talohan’ny fakana an-keriny nahazo azy”, izay antony tsy nivoahan’ilay vola notadiaviny saika namoahana entana teo anivon’ny ladoany Toamasina. Misy kaontenera maromaro noho izany ny entan’ny orinasa “P. Business center” tafiditra ao anatin’ny lisitry ny entana sy vondron’entana hiditra lavanty eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 09 hatramin’ny 11 jolay izao. Tantara mbola hitohy…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici