- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny any Anjozorobe : 14 no voasambotra, iray nitolo-batana

Fakana an-keriny any Anjozorobe : 14 no voasambotra, iray nitolo-batana

Tao ho ao tokoa dia niha-nahazo vahana tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny indray ny resaka fakana an-keriny. Tetsy andanin’izay anefa, nanao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ireo zandary, indrindra fa ireo mifehy iny faritra iny, ny avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, niady tanteraka ho amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra sy niezaka namongotra izany resaka fakana an-keriny izany. Araka ny fantatra ary, tao anatin’ny folo andro, ny 24 aogositra ka hatramin’ny 2 septambra teo, nandritra izay hetsika mahery vaika nataon’izy ireo izay dia voalaza fa nahatratra am-polony tany ho any ireo olon-dratsy efa voasambotra. Fito ny isan’ireo voasambotra tao anatin’ny kaominina Anjozorobe, ny tao Amboasary Avaratra ary tao Betatao. Nisy fito toraka izay ihany koa no azo tao Ambatomanoina sy tao Ambohibary Vohilena. Ankoatra ireo dia voalazan’ny vaovao azo fa nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no nitolo-batana tao amin’ny tobim-paritry ny zandary tao Anjozorobe. Eo amin’ny resaka fitaovam-piadiana dia nahazoan’izy ireo vokatra ihany koa, satria nisy basim-borona iray sy bala « calibre 12 » miisa roa, tsy misy taratasy ara-dalàna, azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Araka ny fanamarihana azo dia anisan’ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireo jiolahy mpaka an-keriny izany fitaovam-piadiana azon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohibary Vohilena izany. Nanampy isa an’ireo olona voasambotra sy fitaovam-piadiana tratra, nandritra izany hetsika izany moa ny zava-mahadomelina, rongony entin’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny ary ody gasy marobe fampiasan’ireo dahalo. Tsy hijanona hatreo ny vokatra, raha ny fanazavana azo hatrany, satria mitohy ny hetsika any amin’iny faritra iny  ary tsy hijanona izany raha tsy milamina tanteraka ary voafongotra hatramin’ny fakana ireo tambajotra mpaka an-keriny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici