- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny ao Anjozorobe : Lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna sy ody...

Fakàna an-keriny ao Anjozorobe : Lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna sy ody gasy marobe

Anisan’ny mbola hitompoan’ireo dahalo fatratra ity resaka ody bala ity, izay hahasahian’izy ireo miantsy mpitandro filaminana mihitsy. Tany amin’iny distrikan’Anjozorobe ity, lehilahy iray no voasambotr’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, ny faran’ny herinandro teo, izay nitazona ody bala nahatratra hatrany amin’ny roa kilao mahery tany ho any. Tsy vitan’izay, mbola nahitàna basy tsy ara-dalàna, basim-borona sy bala « calibre 12 » miisa 14 ary antsy lavalela ihany koa tao aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Tao amin’ny fokontany Antovontany, kaominina Androvakely moa no nahatrarana ity lehilahy ity, taorian’ny angom-baovao nataon’ny teo anivon’ny zandary. Tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo no nahafantarana, fa olon-dratsy ahiana fatratra ho mpiray tendro amin’ireo mpangalatr’omby sy mpaka an-keriny any an-toerana ingahirainy. Izy rahateo, izay raha ny fantatra hatrany dia tsy mitsahatra ny mampirohoroho ireo mponina any an-toerana.

Ao anatin’ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra any amin’iny distrika iny moa ireo zandary mifehy izany faritra izany amin’izao ary tsy handefitra mihitsy amin’ny karazan’olona toa izany. Nentina notanana natao andrimaso avy hatrany ity lehilahy ity ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici