- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny eto an-drenivohitra : Olona 16 no efa voasambotra sy hadihadina

Fakàna an-keriny eto an-drenivohitra : Olona 16 no efa voasambotra sy hadihadina

Tsy mitazam-potsiny akory ireo mpitandro filaminana manoloana ity trangana fakàna an-keriny izay miseho lany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity. Ankoatry ny fananganana ny « cellule de crise » iray hiarahan’ireo mpitandro filaminanan telolafy, izay misehatra manerana ny Nosy araka ny voalazan’ny Emmo/Nat, dia nisy ihany koa ny hetsika manokana notanterahin’ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovana Analamanga sy ireo hery rehetra eo ambany fibaikony, teto andrenivohitra. Fantatra tamin’izany fa efa misy tokoa ireo olona voasambotra tao anatin’ity raharaha ity, izay miisa 16 izy ireo. « Vahiny ny dimy, hoy hatrany ny fampitam-baovao ary malagasy ny ambiny ». Araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra hatrany moa dia mazàna misy hifandraisany amin’ny resaka fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika hatrany ny tranga misy, ankoatry ny ditraditra ataon’ireo tanora sy fitsoahana ny tokatranon’ireo ray aman-dreniny. Araka izany, saika mitodika tanteraka amin’izay ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika izay ny fanadihadiana lalilna ataon’ireo mpitandro filaminana ; ary izany dia hiarahan’izy ireo miasa amin’ireo sampan’asa maro toy ny CIS sy ny fadin-tseranana. Vokatr’izay fiaraha-miasa izay no nahatrarana ireo fitaovana sy ireto fanetriben’ny firenana ireto. Mitohy araka izany fikarohana ary ireo fitaovana eo am-pelantanan’ireo voarohirohy dia mbola hanaovana fikarohana ihany koa », raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici