- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny eto Toamasina : Misy tera-tany sinoa tsy hita hifampitadiavana ankehitriny

Fakana an-keriny eto Toamasina : Misy tera-tany sinoa tsy hita hifampitadiavana ankehitriny

Taorian’ny raharaha fakana an-keriny teratany karana farany teto Toamasina, izay efa misy olona miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy ankehitriny, isan’izany ilay ambara fa atidoha nikotrika iny fakana an-keriny iny, dia tsy nangina fa nisoko mangina hatrany ireo mpanao izany, satria mbola misy ireo tsy mbola voasambotra mpiray tendro tamin’izany araka ny fanazavana nataon’ny fampanoavana mpitarika ny hetsika amin’ny ady atao amin’ny fakana an-keriny eto Tamasina. Raha ny fanazavana azo tamina mpitandro ny filaminana izao, dia misy tranga na fakana an-keriny ihany koa eto Toamasina ankehitriny, ka teratany sinoa ity tsy hita mbola karohana ity. Hatreto anefa dia mbola tsy azo lazaina ho fakana an-keriny ilay izy hoy ny mpitandro ny filaminana, satria tsy mbola misy ny fitakiana vola, na izany aza dia efa misy ny soritra amin’ny antony nanaovana izao fakana an-keriny teratany sinoa izao. Raha ny fanazavana hatrany dia trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny iray teto Toamasina no nahitana ity Sinoa ity farany sy ireo andian’olona naka azy an-keriny; ka tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity no nahenoana azy nampijalin’ireo naka azy an-keriny. Eo am-pikarohana izany ny mpitandro ny filaminana izao ka mampanantena ny hanome ny vaovao rehetra ho an’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana raha misy ny fahatrarana ireo andian’olona mpaka an-keriny sy ny antony fakana an-keriny teratany Sinoa izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici