- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny : Jiolahy raindahiny indray no lavon’ny zandary tany Moramanga

Fakàna an-keriny : Jiolahy raindahiny indray no lavon’ny zandary tany Moramanga

Teo am-panomanana fanafihana sy fikononkononana fakàna an-keriny indray ireto olon-dratsy ireto no nifanehatra tamin’ireo zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’Alaotra Mangoro, izay notarihan’ny « officier coordonateur »-n’Anosibe an’Ala, ny Lt Fidimalala R. Nisy ny fifandonana, nandriaka ny rà ny sabotsy maraina teo.

Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any, tamin’io andron’ny sabotsy io. Rehefa nisy ny angom-baovao azon’ireo zandary mahakasika ny fisiana andian’olona maromaro mampiahiahy ary mikasa mihitsy ny hanao fanafihana tao amin’ny kaominina Mandialaza sy Antaniditra, samy ao amin’ny distrikan’i Moramanga, dia nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo. Ireto farany rahateo, raha ny fantatra dia manatontosa iraka manokana any amin’iny faritra iny, hiadiana amin’ity resaka fakàna an-keriny izay manao sesilany tato ho ato ity.

Tsikaritra tao amin’io toerana io rahateo, ireto olona nampiahiahy ireto, izay raha vantany vao nahita ireto zandary avy hatrany dia nitifitra. Raikitra teo araka izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy nahaleo velively ireto mpitandro filaminana tsara hofana anefa iretsy andaniny ka nisy iray tamin’izy ireo no lavo.

Rehefa nisy ny fitsirahana ny razana moa dia fantatra teo fa izany jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe « Dako » izany ity maty voatifitra ity. Izy sy ny namany, izay efa dahalo raindahiny sy mpamerin-keloka ary tompon’antoka tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny, tany amin’iny faritra iny sy ny manodidina : Moramanga, Tsaratanàna ary Amparafaravola. Raha ny fanazavana azo hatrany dia izy ihany koa no tompon’antoka tamin’ilay fakàna an-keriny, ary namonoany ankitsirano ireo takalonaina miisa roa sy raim-pianakaviana iray nanatitra ny vola notakian’izy ireo, ny tapaky ny volana aprily lasa teo. Tamin’io fotoana io ihany izy sy ny namany nokarohina, raha ny fampitam-baovao azo hatrany saingy tsy hita tany nanjavonana intsony ny lehilahy. Ny voalohandohan’ny volana teo no tsikaritra fa tonga tao Mandialaza, Moramanga izy ary nikasa hiverina tamin’ny fanaony io, niaraka tamin’ireo namany. Kanjo moa nandamoaka izany, noho ny fahaiza-manaon’ireo zandary tany an-toerana. Marihana fa mbola nahitàna ody gasy, « puce » maromaro ary basy vita tanana sy fitaovana hafa tany aminy, tamin’io fotoana nahavoatifitra azy io. « Tafaporitsaka ireo namany tamin’io fotoana io, saingy tsy havelanay : hokarohina sy hatao hazalambo mihitsy » hoy ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici