- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny ny tompon’ny Conforama : Roa lahy voasambotra, nidoboka eny Tsifahy

Fakàna an-keriny ny tompon’ny Conforama : Roa lahy voasambotra, nidoboka eny Tsifahy

Roa volana latsaka aty aoriana, voasambotry ny zandary ny roalahy, isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fakàna an-keriny karàna tompon’ny tranombarotra Conforama tetsy Tsaralalàna. Araka ny fampitam-baovao avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena dia teny Alakamisy Ambohidratrimo sy tetsy Anosy no noraisim-potsiny ireto roalahy ireto ny alakamisy 24 septambra lasa teo. Taorian’ny fanolorana azy teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana dia nalefa eny Tsiafahy. Fiaraha-miasa teo amin’ny zandary sy ny pôlisy izy ity, izay nahitana ny teo anivon’ny borigady Fenoarivo, ny vondron-tobim-paritra « Tana ville » ary ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy. Raha ny fantratra hatrany dia naman’ireo mpanafika teny Fenoarivo nitranga volana maromaro lasa izay izy roalahy ireto. Olona roa no tratra tamin’izany, ka ireto roalahy ireo no nanoro ireto roalahy hafa tratra ireto indray. Jiolahy efa rain-dahiny tanteraka amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fangalàna an-keriny ireto roalahy ireto raha ny fampitam-baovao hatrany. Anisan’izany ny nitranga teny Tanjombato sy Fenoarivo ny volana martsa lasa teo, izay nahavoatifitra olona roa, ary ny farany teo ilay fangalàna an-keriny karàna. Vesatra maromaro no anenjehana azy ireo raha ny fanazavana voaray hatrany, toy ny fanafihana mitam-piadiana, fitazomana sy fivarotana basy tsy ara-dalàna sy tsy nahazoana alalàna, ary fangalàna an-keriny. Tambajotra mpanao fanafihana sy mpaka an-keriny  hafa indray, araka izany, ity ravan’ny mpitandro filaminana ity. Ny mahagaga anefa, ny eo voasambotra, ny hafa manao koa. Tsy vao ela akory fa ny sabotsy teo, tetsy Tsaralalàna, tranombarotra karàna no lasibatra. Namoy ny ainy tamin’izany ny tompon-trano.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici