- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny : Olona telo hafa indray nosamborina

Fakana an-keriny : Olona telo hafa indray nosamborina

Mitohy hatrany ny fitadiavana ireo olona namoahana fikarohana manokana, mitohy hatrany ihany koa anefa ny fisamborana ireo olona heverina fa mifaningotra amin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie, sy ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ity farany tao Toamasina.

Raha ny angom-baovao “mari-pitotra” dia nisy olona telo hafa indray nosamborina tao Toamasina tamin’iny herinandro nivalona iny, izay nahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, ary efa nentina eo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava eto Antananarivo ny sabotsy antoandro teo. Tsy isan’ireo olona nanaovana fikarohana manokana amin’ny maha-lisitra voalohany azy ireo tamin’ilay fakana an-keriny izy ireo, anefa araka io angom-baovao io ihany koa isany nandray anjara “ankolaka” tamin’iny fakana an-keriny iny izy ireto, ary efa nisy fotoana nitadiavana azy ireo tao Toamasina nandritra ny raharaha mbola nihazonin’ny Gsis sy ny “cellule d’enquête” tao Toamasina ireny.

Mitaraina ihany koa ireo fianakavian’ireo olona nalefa eto Antananarivo mikasika ny raharaha, fa mijaly izy ireo amin’ny famangiana ny havany sy ny fikarakarana azy ireo noho ny fahalaviran-toerana. Mijaly ihany koa izy ireo amin’ny fangatahana ny zony amin’ny fikarakarana ny havany amin’ireo tompon’andraikitry ny fitsarana misahana ny raharaha eto Antananarivo. Na izany mba hamantarana ny tena marina mifaningotra sy mifamatotra amin’izao raharaha fakana an-keriny izao, satria efa nanaovana « dokam-barotra » ny havan’izy ireo araka ny nambaran’ireto fianakaviana, dia takian’izy ireo ihany koa ny « marina » rehetra mikasika ireo tompon’antoka sy ny toby nivoahan’ireo basy sy bala maro be tratra tamin’ny fanafahana an’i Arnaud tao Andranomadio ireny. Tokony tsy ho sarotra izany hoy hatrany ireto fianakaviana ireto raha ny laharan’ny bala 119 hita sy ny laharan’ireo basy 04 tratra ireo.

Ankoatra izay, araka io loharanom-baovao « mari-pototra » io hatrany, dia amin’ity herinandro ity, no hiditra amin’ny fanadiadiana faharoa azy eo anivon’ny fonjan’i Manjakandriana hiazonana azy ilay mpitsara voarohirohin’ny fitsarana fa mifaningotra ao anatin’iny raharaha fakana an-keriny iny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici