- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny : Roa lahy avotra teny am-pelatanan'ny dahalo

Fakàna an-keriny : Roa lahy avotra teny am-pelatanan’ny dahalo

Avotra soa aman-tsara izy ireo.

Roa lahy avotra teny am-pelatanan’ny dahalo 15 andro katroka taorian’ny nangalan’ireo olon-dratsy an-keriny azy roa lahy ireto no nahitan’ny zandary azy ireo, velon’aina soa aman-tsara. Tany amin’iny kaominina Brieville distrikan’i Tsaratanana izy ireo no very, tao Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe izy ireo no avotra. Ny andron’ny 18 novambra lasa teo tokoa mantsy dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanana iray, tao amin’ny fokontany Antsapandrano, kaominina Brieville. Dahalo am-polony maro nirongo fitaovam-piadiana isan-karazany, toy ny basy sy zava-maranitra no tonga nanafika io tanana io. Ankoatry ny zavatra lasan’izy ireo dia nentin’izy ireo an-keriny nanaraka azy ny lehilahy roa, 47 sy 39 taona. Izy roa lahy ireto, izay marihana fa manana rohim-pihavanana ihany satria dia mpizaodahy, araka ny fampitam-baovao azo. Tsy mitsahatra ny mandeha izy ireo, mandeha tongotra na andro na alina, hoy ny fitantaran’izy ireo ary indraindray dia zara raha misakafo eny an-dalana. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa, nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary, rehefa nahare ny zava-nitranga, tamin’ny fikarohana ireto olona nalain’ny dahalo an-keriny ireto. Tao anatin’izany 15 andro nitazoman’ireo olon-dratsy azy ireto izay dia nisy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fanangonana vaovao. Ny harivan’ny alakamisy lasa teo dia fantatra ny toerana niafenan’ireo olon-dratsy sy ireo olona eny am-pelan-tanan’izy ireo. Ao amin’ny faritra iray, atsimon’ny Bemandrona, kaominina Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe. Nametraka paik’ady ireo zandary hanavotana azy roalahy, ka omaly vao maraim-be no nitontonana tao amin’io tanana io ireo mpaka an-keriny. Avotra soa aman-tsara ! « Salama tsara, tsy nisy nanombinana ireto olona ireto. Tsy nisy naninona ihany koa, tetsy andanin’izay ny teo anivon’ireo zandary » hoy ny fanazavana azo. Na izany aza, tafaporitsaka ireo olon-dratsy ary mbola manohy ny fikarohana azy ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny tobim-paritra Brieville. Izy roa lahy ireto kosa, tamin’io andron’ny omaly io ihany dia efa an-dalana namonjy ny tokantranon’izy ireo tsirairay avy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici