- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny sy asan-jiolahy : Fantatr’endrika i « Del kely », maty...

Fakàna an-keriny sy asan-jiolahy : Fantatr’endrika i « Del kely », maty voatifitra ny namany dimy

Nitrangana fifandonana mahery vaika, teo amin’ny zandary sy ny andian-jiolahy tao Mahatsinjo, distrika Maevatanana. Maty voatifitra tamin’izany ny dahalo dimy, izay fantatra fa olona akaikin’ilay lehiben’ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe « Del kely ». Hita nandritra ity fifandonana ity aza moa ny kara-panondron’io jiolahy rain-dahiny io.

Raha ny zava-nitranga : nisy ny angom-baovao azon’ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovana Betsiboka, mahakasika ny toby  itoeran’i Del kely sy ny namany tao Ambatofotsy, kaominina Mahatsinjo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ary tratra tao ny roa lahy, saingy efa tafaporitsaka ireo namany hafa. Mbola entana sy antontan-taratasy maro samihafa moa no hita tao amin’ilay toby, niaraka tamina omby halatra maromaro. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka tra-tehaka teo Tsinjorano, kaominina Tsiafabositra ireo nenjehina. Raikitra teo ny fifandonana ka nisy dahalo telo maty voatifitra. Saingy mbola tsy anisany  i Del kely. Nisy fitaovam-piadiana maromaro moa hita tamin’izany niaraka tamina kara-panondro iray. Nandritra izany, dia nikasa ny handositra ireo roa lahy voasambotra voalohany, saingy na dia efa nampitandremana aza dia mbola ninia nandositra izy ireo. Hany ka voatery nitifitra ireo zandary.  « Natao ny fanavotan’aina azy roa lahy mba hoamin’ny famotorana nefa tsy tana ny ainy noho ny ratra nanjo azy ireo ». Na izany aza, dia afaka nilaza ihany ireto farany nialoha ny nahafatesany, fa an’ilay lehiben’izy ireo ilay karatra hita.

Anisan’ny jiolahy nampitondra faisana iny faritra Betsiboka iny i « Del kely » sy ny namany amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny. Anarana fotsiny ihany anefa hatramin’izay no fantatra, fa tsy mbola nisy nahita ity jiolahy rain-dahiny ity, eny  fa na dia eo aza ny fikarohana fatratra ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Saika ireo lefiny sy mpiaraka aminy foana  hatreto no voasambotra sy maty voatifitra. Inoana anefa, fa ho mora amin’izay ny fikarohana azy rehefa fantatra endrika tamin’ny alàlan’ny kara-panondrony ity lehiben’ny jiolahy. Marihana, fa mbola mitoetra hatrany ilay fanomezana valisoa ho an’izay olona manampy amin’ny fisamborana azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici