Miandahy miambavy mihitsy ireo jiolahy mpaka an-keriny, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Vondro-tobi-pileovana Analamanga ny herinandro teo. 11 mianadahy ireo tra-tehaka ka ny dimy amin’ireo no vehivavy.
Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy trangana fakàna an-keriny terantany vahiny nitraga teny Ankadivato teny ny voalohandohan’ny volana teo. Saingy nisafidy ny tsy hanaparitaka sy tsy nanome vaovao mihitsy ireo niharam-boina tamin’izany. Na izany na tsy izany aza anefa dia nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana mahakasika izany ihany ireo zandary ka nahafahana nisambotra olona iray. Tamin’ny alalan’ity farany no nahafahana nisambotra ireo namany, izay nalaina tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony mihitsy aza. Voalazan’ny fampitam-baovao fa niaiky tanteraka ny heloka vitany ireto olona voasambotra ireto izay efa isan’ireo tambazotra mpanao izay fakàna an-keriny izany. Efa harifomba tanteraka ihany koa izy ireo satria dia efa vita paik’ady matotra ny drafitra sy ny fitaovana rehetra alohan’ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Mbola tra-tehaka teny amin’ireto jiolahy mpaka an-keriny ireto moa ny ankabeazan’izany fitaovana nampiasain’izy ireo izany, toy ny « môtô scooter » efatra, fivezivezena sy fitiliana izay ho haza manaraka ary fitondràna mitsoaka haingana izany rehefa vita ny asa ratsiny. Ao ihany koa ny fitaovam-piadiana, izay nahitàna basy poleta vita vahiny roa ary bala miisa 49. Ambonin’izay moa tsy hadinon’ireo mpanao ratsy mihitsy ny ody gasy izay mbola tra-tehaka teny amin’izy ireo ihany koa. Amin’ny tranga toa itony dia mazàna mampiasa finday ireo olon-dratsy hifaneraseràny sy hangatahany onitra amin’ny fianakavian’ireo niharam-boina, kanefa mazàna dia tsy hita ny tompon’ilay laharana finday. Raha ny fanazavàna azo dia karam-panondro sandoka no entin’izy ireo mividy ilay « puce » ary finday maromaro no ampiasainy. Omaly moa izy 11 mianadahy mpaka an-keriny no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, rehefa avy niatrika ny fakàna am-bavany teny anivon’ny zandary. Ilay terantany vahiny nalaina an-keriny kosa, raha ny vaovao voaray hatrany dia efa tafaverina eny anivon’ny fianakaviany. « Izany dia taorian’ny fandoavana ny vola notakian’ireo jiolahy ireo. Marihina fa tsy nisy fitarainana na fampandrenesana mahakasika io raharaha io mihitsy tonga teo anivon’ny Zandarimaria fa niainga Tamin’ny angom-baovao hatrany » hoy ny fanazavàna azo.
m.L