- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tany Anjozorobe : Mbola eny am-pelatanan’ny dahalo ireo olona dimy...

Fakàna an-keriny tany Anjozorobe : Mbola eny am-pelatanan’ny dahalo ireo olona dimy takalonaina

Herinandro roa izay no nivalona, mbola tsy nahitàna mangirana ny mahakasika ireo olona dimy lasan’ireo dahalo an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, tao amin’ny kaominina roa, Amparantanjona sy Betatao. Mbola eny am-pelatanan’ireo dahalo mitazona azy izy ireo, raha ny fanazavàna azo. Raha tsiahivina dia efatra tamin’ireto olona lasa an-keriny, raha ny tao amin’ny kaominina Betatao no avotra soa aman-tsara taorian’ny nisian’ny fifandonana mahery vaika, niseho indroa miantoana, teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Raha tamin’ity tranga farany ity dia olona iray sisa no voatazona any. Raha ny mahakasika ilay tranga tao amin’ny kaominina Amparatanjona kosa, izay nisiana efa-mianaka nalain’ireo mpaka takalonaina dia tsy mbola nahazoam-baovao hatreto. Heverina fa mbola any amin’ireo olon-dratsy ihany koa izy ireo, hoy ny fanazavàna azo avy any an-toerana. Marihana fa efa nanonona mari-bola, an-tapitrisany maro ireo olon-dratsy ho tambin’ny famotsoran’izy ireo an’ireto olona ireto.

Na izany aza, tsy mikely soroka ary tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fikarohana sy ny fanavotana ary ny fisamborana ireo olon-dratsy ireo mpitandro filaminana marobe tonga any an-toerana. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny tomponandraikitra iray any an-toerana dia fantatra fa efa nisy olona valo teo indray no voasambotra, nanampy isa ireo efa voasambotra teo aloha. Izy ireto, raha ny vaovao hatrany dia heverina ho isan’ireo nandray anjara nivantana na ankolaka tamin’ireo trangana fanafihana sy fakàna an-keriny ireo. Handrasana indray araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici