- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tany Anjozorobe : Tafaverina ny efatra, am-polony ireo olona tratra

Fakàna an-keriny tany Anjozorobe : Tafaverina ny efatra, am-polony ireo olona tratra

Tato anatin’ny kaominin’i Betatao, distrika Anjozorobe, no nalain’ny dahalo an-keriny ireo olona dimy.

Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy teo amin’ny olona am-polony tany ho any no efa nosamborin’ny zandary, ho tohin’ilay raharaha fakàna an-keriny tany amin’iny distrik’Anjozorobe iny. Misy vehivavy amin’izy ireo ary misy zazalahy, izay mbola tsy ampy taona akory, izay voalaza fa isan’ireo mpiray tarika amin’ilay dahalo rain-dahiny malaza antsoina hoe Del kely. Araka ny angom-baovao hatrany dia saika ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo dahalo avokoa ny ankabeazan’ireto olona nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo. Ireo tena malaso, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary any an-toerana dia mbola hanaovana hazalambo ao anaty ala. « Efa mpitandro filaminana marobe ny tonga nanampy ny mpitandro filaminana efa taty an-toerana, amin’ny fanavotana ireo lasa takalon’aina sy ny fisamborana ireo olon-dratsy ». Marihana fa efa nisy efatra tamin’ireo olona lasa takalon’aina no efa avotra. Ireto olona ireto dia ireo nalain’ny dahalo ny marainan’ny alatsinainy teo, tao amin’ny Ambohimiarina, kaominina Betatao. Tsiahivina fa tao anatin’ny fifandonana indroa miantaona tamin’ireo andian-dahalo no nahafahan’ireto olona ireto. Mbola misy vehivavy iray kosa any am-pelan-tanan’izy ireo, raha ny angom-baovao hatrany. Raha ny mikasika ireo olona efa-mianaka hafa tao Amparantanjona, izay mbola eny am-pelan-tanan’ny dahalo hatrany, efa herinandro teo ho eo izay, dia mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana sy fikarohana azy ireo tanteraka ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Ireto farany moa ilay mbola hitakian’ireo olon-dratsy vola an-tapitrisany maro, ho tambin’ny famotsarana azy ireo. Anisan’ny distrika iray manasaraka faritany telo samihafa, Antananarivo, Toamasina ary Mahajanga raha ny distrik’Anjororobe, etsy amin’ny 90 km avaratry ny renivohitra. Raha somary mivadika miantsinana dia efa mifanehatra amin’ny tandavan’ala Atsinanana ary raha manohy miankandrefana dia efa mahita ny lemak’i Tsaratanana. Araka izany, mora amin’ireto dahalo, izay efa nandripaka sy nampitondra faisana ny faritra Betsiboka iny no niditra tany amin’ny faritra Analamanga, tao Anjozorobe. Anisan’izany ny tariky ry Del kely, izay marihana hatrany fa efa nanambazan’ny fanjakana vola tsy toko tsy forohana ny fanampim-baovao ahafahana misambotra azy. Raha ny dian’ireto andian-dahalo ireto indray dia toa mitohy miantsinana satria, raha ara-jeografia, ny nisian’ny fifandonana farany izay nahavotsotra ireo nalaina an-keriny, dia tao amin’iny amin’iny tandavan’alan’ny faritra Atsinanana iny. « Izay no mahasarotra kely ny fanavotana satria dia miafina anaty ala mikitroka ny sasany amin’ireo olon-dratsy. Kanefa, efa maro dia maro ihany koa ireo mpitandro filaminana, na zandary na miaramila, tonga aty, hanampy isa ireo efa aty an-toerana, hanao savahao izany faritra izany. Ka hinoana sy heverina fa tsy ho ela dia ho voasambotra avokoa izy ireo ary avotra soa aman-tsara ireo olona lasa an-keriny », raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici