Rehefa nokarohina fatratra natao hazalambo nandritra ny roa andro. Saron’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisarian’ Ihosy tao Irina, afak’omaly, ny efatra tamin’ ireo jiolahy (roa lahy, roa vavy) izay naka an-keriny ankizivavy kely iray enina taona. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifadonana kosa ny iray tamin’ireo mpangala-jaza, ary tra-tehaka niaraka tamin’ireto olon-dratsy ireto ihany koa ny vola sandoka sy ny basy kilalao nentin’izy ireo nampihorohoroana ary « puce » maromaro.
10 tapitrisa Ar. Raha ny fampitam-baovao voaray, ny 19 Novambra teo no nisy nangalatra tao Ihosy ny zazakely roa 06 sy 10 taona izay samy tsy teo an-toerana ny Ray aman-drenin’izy ireo. Roa ora taorian’io, nisy nandefa hafatra tamin’ny finday ny renin’ilay zaza 10 taona, ary nampandre azy fa mila manome vola 10 tapitrisa ariary raha te-hahita ny zanany. Nisy moa ny laharana nomen’ireo olon-dratsy hahafahana mandefa ilay vola. Vao naheno ny zava-niseho moa ny Ray aman-drenin’ilay zaza 06 taona tonga haingana tao Ihosy, ary nandeha avy hatrany tany amin’ny Polisy, raha tsy tonga tany kosa ny Ray aman-drenin’ilay zaza 10 taona.
Basy kilalao. Taorian’izay, nanao ny fanadihadiana ny Polisy, ary fantatra ny trano nitazonana ireo zaza. Rehefa niditra tao amin’ilay trano ny mpitandro ny filaminana, lehilahy iray niaraka tamin’ny basy sy ireo ankizy no hita tao. Natondrony teny amin’ireo ankizy ilay basy ka voatery nitifitra azy ny Polisy. Maty teo noho eo ilay rangahy ary rehefa lavo izy vao fantatra fa basy kilalao no nampiasainy. Mbola tratra tao ihany koa ny Ray aman-drenin’ilay ankizy 10 taona niaraka tamin’ireo zaza nangalariny.
Mody nalainy an-keriny ny zanany. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa ny ray sy renin’ilay zaza 10 taona ity no niketrika ny fangalaran-jaza, ary mba ho entina hamitahana ny olona rehetra dia mody nalaina an-keriny niaraka tamin’ilay zaza 06 taona ny zanak’izy ireo. Ilay renin’ilay zaza 10 taona avy eo no mody miteny an’ilay Ray aman-drenin’ilay zaza 06 taona fa tokony handoa ilay vola ho famonjena ireo zaza. Rehefa nantsoina kosa ilay laharana handefasana ilay vola dia ilay rangahy lavon’ny balan’ny Polisy no nandray ny finday tamin’izany, ary nandrahona ireo Ray aman-dreny raha tsy manome ilay vola tadiaviny. Salama tsara avokoa ireo zaza nangalarina ireo, ary efa any amin’ny Ray aman-dreniny ilay zaza enina taona.
Eric Manitrisa