Ela nitoratorahana ! Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny ZANDARY ireo olona valo sy ny ben’ny tanàna avy any amin’ny kaominina Isioka niampy an’ilay lefitry ny ben’ny tanàna iray any amin’ny kaominina Marokoro iny, mikasika ny raharaha fakana an-keriny nahavoarohirohy sy nitazonana azy ireo teny amin’ny borigadin’ny zandary eto Maevatanàna nandritra ny 48 ora, ny alarobia hariva teo no niakatra fampanoavana ny raharaha rehefa vita famotorana sy fanadihadiana. Vita ny famotorana nataon’ny Tonian’ny fampanoavana ka nisy ny fanapahan-kevitra taorian’izany ny nampidirana an-ponja vonjimaika ho an’izy folo lahy ireto, izay miandry ny fotoam-pitsarana. Araka ny fantatra dia resaka firaisana tsikombakomba tamin’ny fakana an-keriny niseho tany amin’ny kaominina Marokoro, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no nahavoarohirohy sy nahavoasaringotra ireto olom-boafidy sy olom-boatendry ireto. Fantatra fa ilay vehivavy 18 taona nalaina an-keriny tamin’ny 13 febroary lasa teo mihitsy no nitory rehefa navotsotr’ireo dahalo, izay notazomina nandritra ny herinandro tany amin’ny toerana antsoina hoe Maroalabe. Tsiahivina fa ny talata lasa teo no nosamborina izy roa lahy izay voalaza etsy ambony ireto, niaraka tamin’ireo olona valo voatondro ho « mpanome sakafo ireo dahalo sy mpiserasera an-telefaonina. Marihina fa mbola tsy nisy azo kosa ireo dahalo tena nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny zandary ireo mpaka an-keriny.
Ratantely