Tsy nisy efa-bolana taorian’ny fakana an-keriny an’i Akyl Cassam tompon’ny orinasa SCIM. Nizar Pirbay 44 taona fantatry ny namany amin’ilay solon’anarana hoe “Zouzou” indray no nisy naka an-keriny ny zoma 8 jona teo, raha teo am-pidirana ny vavahadin’ny tranony ao Salazamay-avaratra izy teo analenalen’ny tamin’ny 6 ora sy sasany hatramin’ny 7ora hariva teo.
Manana mpiambina manokana. Mpandraharaha ity tera-tany Khoja nisy naka an-keriny ity ary fanindroany nakan’olona azy an-keriny ity tranga tamin’ny zoma teo ity; izay nahatonga azy ho lasa manana mpiambina manokana miaramila roa lahy mitazona basy. Efa nandrasan’ireo mpaka an-keriny azy tsy lavitra ny tranony izy raha iny hody hariva iny, ka jiolahy efatra nitondra môtô scooter nanao taingin-droa izy ireo. Tsy nahahetsika anefa ireto miaramila roa mpiambina azy manokana raha nipoitra nanambana basy azy ireo izy efa-dahy mpaka an-keriny ireto. Tsy naharay ny basiny ho fiarovan-tenany koa ity tera-tany Indiana ity nandritra izany. Ny fiarany ihany no nitondran’ireto mpaka an-keriny azy, ary najanon’ireto andian-jiolahy teo am-bavahady kosa ireto miaramila mpiambina azy raha nalain’izy ireo ny basin’izy roa lahy.
Vovoka Sakay sy Rongony. Taorian’ny fahazoan’ny mpitandro ny filaminana ny vaovao, dia raikitra avy hatrany ny savahao nataon’izy ireo eran’ny Tanàna sy ireo faritra manodidina an’i Toamasina rehetra; saingy ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 7ora no hita tao Mangarano II ilay fiara Ford Ranger volon-davenona mitondra ny laharana 12890 WWT nitondran’ireo mpaka an-keriny azy nitsoaka. Ny nanaitra ireo mpitandro ny filaminana nijery sy nanadihady ilay fiara, dia ny fahitan’izy ireo vovoka sakay sy ravina rongony tao anatin’ilay fiara, izay heverina fa hanariana dia izay mety ho fakana alika mpitsongo. Mbola hita tao anatin’ilay fiara ihany koa ny basy PA marika “Browing” fiarovan-tenan’i Nizar Pirbay. Feno bozaka sy fotaka ihany koa ny fanambanin’ilay fiara Ford Ranger, tamin’ny fotoana nahitana azy tao Mangarano II izao.
Vola 600 tapitrisa ariary. Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana, fa talohan’izao fakana an-keriny azy izao, dia nisy namaky ihany koa ny magazainy ao Ampilaolava ny alin’ny 29 may nifoha ny 30 may lasa teo; izay mbola miaramila koa ny mpiambina azy nefa ilay mpiambina mihitsy no nitondra ireo andian-jiolahy namaky azy izay. Efa miandry fitsarana any am-ponja avokoa ireo efatra sy ilay miaramila mpiambina amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao, dia efa nikasa hamoaka vola 600 tapitrisa ariary tamina banky iray teto Toamasina ingahy Nizar Pirbay tsy ela izay, saingy nolavin’ny bankiny izany nefa hoe saika hamoahana entana teo anivon’ny fadin-tseranana ilay vola be. Koa heverina fa misy ifandraisany amin’izao fakana an-keriny azy izao avokoa izany tranga rehetra izany, ka eo am-panadihadiana ny raharaha ny mpisahana izany.
Malala Didier