Taorian’ireo trangana fakàna an-keriny nisesisesy tany amin’iny faritra Betsiboka iny dia fantatra izao fa nahatratra sivy ireo olona nosamborina. Nisy zandary iray tao anatin’ireo voasambotra ireo izay miasa any amin’iny faritra iny, voarohirohy tao anatin’ity resaka fakàna an-keriny ity.
Tsy mikely soroka tokoa ireo zandary, eny fa na dia azo lazaina aza fa mafimafy ihany ny fanaovana fanadihadiana mahakasika ireto trangana fakàna an-keriny nitranga, indrindra fa tany amin’ireo distrika roa, Maevatanana sy Tsaratanana, araka ny fanazavàna azo. Eo aloha, hoy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary, izay nidina tany an-toerana mihitsy nijery ny zava-nisy, ny fahalaviran’ny toerana sy ny fitokana-moninan’ity distrika iray ity. Eo ihany koa ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony ireo mpitandro filaminana, hany ka sarotra dia sarotra ny fanangonam-baovao, hoy hatrany fanazavàn’izy ireo nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Na izany aza anefa, misy ny vokatra. Olona valo, izay nandray anjara nivantana sy an-kolaka tamin’ilay fakàna an-keriny mpitsabo mpanampy tany Manakana no efa voasambotra ary atolotra ny Fampanoavana androany. Nanampy isa azy ireo ny zandary iray, izay miasa any an-toerana. Voaporofo fa isan’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpaka an-keriny. Ny famotorana ireo valo voasambotra aza moa dia nilaza fa ity mpitandro filaminana mpihoa-pefy ity mihitsy no mamatsy bala sy basy ireo malaso. « Tsy mandefitra velively amin’izany ny zandary » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Tsy maintsy andraisana fepetra ihany koa anefa ireo tsy mahavita ny asany. Araka ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary hoe « mila zandary miasa sy mandray andraikitra ». Fantatra ary fa nisy ny famindràna toerana tompon’andraikitry ny zandary maromaro tany an-toerana. Nisy ihany koa ny fandefasana zandary maromaro hafa indray, avy eo amin’ny vondron-kery manokana, hanampy isa ny any an-toerana, izay inoana fa hitondra vokatra eo anetrahan’ity trangana tsy fandriampahalemana manjaka any ity. Miraviravy tanana tokoa mantsy ireo mponina any amin’iny faritra iny amin’ity resaka fakàna an-keriny ity. Ary tsy ireo mponina ihany fa indrindra ireo mpiasam-panjakana miasa any. Tsiahivina tokoa mantsy fa efa nisy roa no lasibatry ny dahalo mpaka an-keriny tany amin’iny distrika Tsaratanana iny. Ny iray, mpitsabo mpanampy tao Manakana izay nahasamborana ireo olona voalaza etsy ambony ireo, ary ny faharoa ilay Sefo Zap tao Tsaratanana faharoa, izay marihana fa samy mbola eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy.
m.L