Fantatra hatreto ny antony mampirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo ; izay niova ho fakana an-keriny tato ho ato, any amin’iny distrikan’i Tsaratanàna iny. Araka ny voalazan’ny solom-bavambahoaka voafidy tany an-toerana, Atoa Ratefiarivony Jaona dia tsotra ihany ny anton’izay : ny fangatahany hanao ny lalam-pirenena RN33a, izay mampitohy ny kaominina Andriamena, Tsaratanàna ary mipaka hatraty Ambondromamy (RN4), izay nomarihany fa efa maty tanteraka nandritra ny 50 taona teo ho eo izay. Tao anatin’izay dia lasa zohy fieren’ny dahalo ny tanana handalovan’ity lalana mirefy eo amin’ny 180 km, hamboarina ity, hany ka manohintohina sy manamora ny fisamborana azy ireo ny fisiany, hoy izy. Na dia teo aza izany, dia namaly ny antso ireo mpiray antoka, izay ao anatiny ny orinasa Kraoma. Natomboka ny 17 mey lasa teo ny asa, saingy voatery naato indray izany, noho ny fisian’ilay trangana fangalana an-keriny ireo mpiasa efa-dahy isan’ireo mpanamboatra làlana.
Raha ny filazan’ity olom-boafidy, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Tsimbazaza ity, dia izy mihitsy no saika hokasain’ireo olon-dratsy nalaina an-keriny, saingy hoe tsy tratra tany an-toerana izy tamin’io fotoana io. Ny antony, dia « noho izaho miezaka miady amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ary nangataka ny hanamboarana io làlana io. Miaina anaty tebiteby tanteraka mantsy ny mponina any, indrindra fa ireo any ambanivohitra. Saika hianjadian’izany avokoa ny ankolafin’olona rehetra : ny mpiompy, ny mpandraharaha, ny mpiasam-panjakana, ny mpiasa amin’ny orinasa, eny fa na hatramin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy olom-boafidy aza ». hoy izy. « Noho izany adidiko ny mitady hevitra, hiadiana amin’ity trangana tsy fandriampahalemana ity, ary tsy matahotra aho na dia eo aza izany fampitahorana ahy, satria tanindrazako any » hoy hatrany ity « déput » namarana ny teniny.
m.L