Tovolahy 22 taona, antsoina hoe Ranaivoarijaona T, zanaky ny mpitantana tranombarotra iray tany Toamasina no nisy naka an-keriny ny alahady lasa teo. Raha ny fantatra dia ao Beryl Rose no trano fonenan’izy ireo ary ny marainan’io alahady io dia mbola tany am-piangonana ny ray aman-drenin’ity tovolahy ity no nahazo antso fa nisy olona niditra ny tranony. Efa tsy tao intsony io tovolahy io nony tonga tany an-toerana ireto olona ireto. Omaly maraina no nahazo hafatra tamin’ny alalan’ny finday izy ireo mitaky ny vola iray miliara Ar, ho tambin’ny famotsorana an’ity tovolahy ity. Araka ny vaovao azo hatrany dia olona eo amin’ny enina teo, samy misaron-tava sy mirongo basy, toa mpitandro filaminana, no nihaodihaody sy niditra tao an-trano ary naka an’io tovolahy io. Ny vaovao ihany no nahalalana fa nandeha fiara 4×4 sy Golf izy ireo tamin’izany. Hatreto dia mbola tsy nandresam-baovao ny mikasika ity zanaka olona manana ny maha izy azy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao ity. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana mikasika io raharaha io, raha ny fanazavana azo amin’ny mpitandro filaminana. Ireo fianakaviana moa tsy nisalasala nampandre ny mpitandro filaminana raha vao fantatra ny fisian’ilay tranga. Manampy ny mpitandro filaminana any an-toerana dia nidina nanao ny fanadihadiana tany ihany koa ireo pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy.
m.L