- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny zaza varira : Mpampianatra iray voarohirohy tany Amboasary Atsimo

Fakàna an-keriny zaza varira : Mpampianatra iray voarohirohy tany Amboasary Atsimo

Olona efatra hatreto no voasambotra, raha tafatsoaka ny ambiny. Ny iray amin’izy ireto dia vehivavy ary ny iray kosa mpampianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray any an-toerana. Samy voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny zazakely varira (albinos) tany amin’iny distrika Amboasary Atsimo inya avokoa moa izy ireo. Ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia zazakely iray vao herintaona monja no nalain’ny andian-jiolahy mitam-basy tao an-tokantranony tao Ambanimera, kaominina Sahampona, distrika Amboasary Atsimo. Karazan’irony zaza varira na “albinos” irony moa ity zaza ity. Manoloana ireo tranga fangalàna an-keriny fa indrindra ireo trafikana olona varira any amin’iny faritra iny moa dia nahetsika avy hatrany ireo zandary tany amin’ireo faritra manodidina, Nisy ihany koa ny fiambenana ireo kizo isan-karazany. Ny alarobia lasa teo, dia nisy lehilahy iray voarohirohy ho isan’ireto tompon’antoka ireto voasambotra tao Morafeno, Amboasary Atsimo. Nanomboka teo, nanao sesilany ny fisamborana, ary anisan’izany ny mpampianatra iray tao Ifotaka, lehilahy sy vehivavy tao Beanantara. Niafara tamin’ny fanenjehana olona tanaty ala mikitroka tao Marokily moa izany, rehefa fantatra taorian’ny famotorana fa notazomina any ilay zaza. Olona anankiroa no nenjehina izay fantatra fa nitondra ilay zaza nitsoaka ihany koa raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Nony farany anefa, efa akaiky tsy hivoahana ny ala no natsipin’ireto olon-dratsy ilay zaza ary tafaporitsaka izy ireo. Mazava ho azy, ny hamonjy ity tsy manan-tsiny no natao voalohany. Avotra soa aman-tsara izany zaza izany. Nentina avy hatrany namonjy tobim-pahasalamana ary voalaza fa salama tsara na dia teo aza ireo rangotra sy mangana teny amin’ny vatany. Efa naverina teny anivon’ny fianakaviany moa ity zaza varira ity. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka. Ho an’ireo voasambotra indray, dia efa nentina nihazo ny biraon’ny zandary izy ireo hanaovana famotorana sy notanana natao andrimaso.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici