- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna ny Lapan’i Mahazoarivo : Karohina ilay jeneraly tonga teny amin’ny Lapa

Fakàna ny Lapan’i Mahazoarivo : Karohina ilay jeneraly tonga teny amin’ny Lapa

Nandeha ny feo ny faran’ny herinandro lasa teo fa hisy fikononkononana fanonganam-panjakana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fakàna ny Lapan’ny Praiministra eny Mahazoarivo. Vokatr’izay dia saika niatrana am-bava-basy avokoa ireo hery vonjitaitra teo an-drenivohitra. Manjavozavo ihany na dia efa hita misoritra ihany aza ny tao ambadik’ity fanelezana tsaho ity. Raha ny fantatra mantsy, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao marim-pototra, dia ny zoma hifoha sabotsy lasa teo no nisy manamboninahitra ambony, am-perinasa, tonga teny an-toerana nilaza ny mety ho fisian’izay fanafihana ny Lapa izay. Mijanona ho tsaho ihany anefa na dia efa nahatonga sarovorovoro isan-karazany ihany aza. Raha ny voatatitra an-gazety maro teto an-drenivohitra mantsy dia salama tsara ny Praiministra amin’izao fotoana izao, izay vao avy nitsidika ireo marary tetsy amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ny alahady lasa teo. Na izany na tsy izany anefa dia voalaza fa tsy manao ambanin-javatra ny vaovao tonga eo am-pelatanany ny Fanjakana, indrindra fa ny momba ny raharaha goavana, izay mety hitarika fikorontanana tahaka izao. Voalaza hatrany fa efa miatrana foana ireo mpitandro filaminana ary efa ela no nohamafisina ny fiarovana ireo Lapam-panjakana sy ireo olona ambony. Tamin’iny faran’ny herinandro nivalona iny ihany koa dia fantatra fa « consigné » avokoa ireo toby miaramila rehetra teto an-drenivohitra. Ary mbola mitohy hatrany izany hatreto, ho an’ireo toby miaramila sasantsany, toy ny eny Soanierana, misy ireo miaramilan’ny Capsat sy ny etsy Fiadanana, misy ny tobin’ny Rts. Ilay olona voalaza ho tonga nanely izany tsaho izany, teny amin’ity lapam-panjakana ity kosa hatreto dia tsy hita tany nanjavonana ary mbola tsy fantatra mazava hoe aiza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser