- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFaliarivo Ampitatafika : Lehilahy misoloky ho solombavambahoaka, voasambotry ny zandary

Faliarivo Ampitatafika : Lehilahy misoloky ho solombavambahoaka, voasambotry ny zandary

Ny malety an-tanana, ny « costard » tsy hadino, ny fomba firesaka dia toa ireny mpanao pôlitika ngezalahy ireny. Raha ety ivelany dia tsy misy marika hamantarana azy mihitsy hoe olona mpisandoka ity lehilahy iray manodidina ny 40 taona any ho any ity, izay voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Faliarivo Ampitatafika iny, ny talata lasa teo. Efa maro ny fitarainana azon’ireto mpitandro filaminana ireto, mahakasika ny fisiana lehilahy iray izay mitonona ho solombavambahoaka, ary maka vola aman’olona. Raha ny isan’ireo olona efa voasolokiny sy ny vola azony raha atambatra dia efa an-tapitrisany mahery tany ho any. Hita nihaodihaody teny amin’iny faritra Faliarivo ity lehilahy tamin’io fotoana io, ary avy hatrany dia niroso tamin’ny fisamborana ireo zandary. Tamin’ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa efa olona maromaro no efa voany tamin’izany, ary mazana dia olona manana ny maha izy azy sy asa ambonimbony avokoa. Amin’izany dia milaza fa olom-boafidy avy any Atsimo ny tenany, saingy sendra ny tampoka ka lany ny volany kanefa izy tsy maintsy hamonjy fivoriana eny Tsimbazaza. Mandangolango amin’ny fitenenana eo ity mpisoloky ary mahazo izay tadiaviny amin’izay olona lasibatra ihany nony farany. « Raha ny fomba fihetsiny sy ny fitafiany aloha dia tsy mahagaga raha mety ho voarebireby ireo olona hangalàny vola », hoy ny fanazavana azo. « Misy vangovango ankoso-bolamena izay tsy miala eny aminy, ary mody asehony tsara sy lalaoviny foana izy io rehefa te hampiresaka ilay olona isolokiany izy ». Taorian’ny nanaovana azy andrimaso teny amin’ny biraon’ny zandary dia omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, Ingahy depioté sandoka. Nadoboka am-ponja vonjimaika moa ity farany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici