Manao sesilany tokoa ny famadihana famonosan-damba netim-paharazana aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, tao ho ao izay, tamin’ity taona ity. Anisan’ny mampiavaka ny famadian-drazana aty an-toerana sy ny any ambanivohitra any ny fisian’ny ady Moraingy watsa, isaky ny misy famadihana, ho an’ireo vatan-dehilahy mantanjaka, na ihany koa amin’ny filazana hoe: Fanorolahy. Raha ny vaovao marim-pototra voaray avy any amin’ny fokontan’Ampapamena, kaominina ambanivohitra Beratsimanina, dia nisy famadihana famonosan-damba tao amin’io tanàna voalaza etsy aloha io, ka nisy hatrany ny ady Moraingy watsa, ny tolakandro ny alakamisy lasa teo. Tamin’izay indrindra no raikitra ny sakorokoa ho an’ireo vatan-dehilahy mantanjaka. Savoritaka nitsoaka ny olona iray tanàna nanoloana izany. Teo no avy masiaka, ilay miaramila iray nahazo fifanarahana hiambina ny lanonam-pamadihana. Nanao tifin-danitra handravana izany ity farany, izay voalaza fa efa kimamomamon-toaka. Saingy tsy niravana ny sakoroko, ary teo no nitifitra vavan’iray tamin’ny basy avy hatrany izy. Voatifitra tamin’ny feny ny lehilahy iray fantatra amin’ny fiantso hoe Fredon, tokony ho 32 taona eo. Noezahin’ny fokon’olona nentina namonjy hôpitaly teny amin’ny » CHCRR Morafenokely eto Maevatanàna, » i Fredon. Tany amin’ny sivy ora alina izy no tonga teny, ary tamin’ny misasak’alina no namoy ny ainy, vokatry ny fahatapan’ny lalan-drà vaventy, hoy hatrany, ireo mpitsabo niasa sy nandray azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Efa nomena ny havany ao Beratsimanina moa ny razana. Ilay miaramila manao D’AS na Détachement Autonome de Sécurité ao Marosakoa avaratra/Beratsimanina kosa, efa voasambotry ny miaramila namany. Ny asabotsy hariva teo nentin’ny kalonely, lefitry ny kaomandiny ZDS Ankarafantsika any amin’ny toby, ao Mahajanga ny miaramila navanon-doza.
Ratantely