Taorian’ny fahatrarana ireo olona efa-dahy namaky ny banky BGFI boulevard Joffre Toamasina tao Antananarivo, dia tratran’ny zandary teto Toamasina koa ireo ekipa teto Toamasina miisa dimy. Ny ampahany sarona tao Ankirihiry, ny ampahany hafa kosa tratra tao Tanambao V omaly antoandro. Tokantrano iray tao Ankirihiry kosa no nahasaronana ny ambin’ny vola, vola 100 ariary sy 200 ariary avokoa izy ireo, izay mbola tao anatin’ny fonosana nisy azy tamin’ny fotoana nangalarana azy. Ingahy isany Gilda 40 taona, Christophe 25 taona, Harison 46 taona, izay samy mpandray anjara tamin’ny famakiana ny banky tamin’ny fampiasana fanalahidy nadika, sy Ingahy Maharavo 38 taona manam-pahaizana manokana momba ny “alarme” sy tambajotra ara-solosaina, ary Ingahy Daniel, 27 taona, izay mpimasin’izy ireo avy any Mahanoro, no saron’ny zandary tamin’izao fisamborana izao omaly antoandro teto Toamasina, izay tsy maintsy nanapoahana basy mihitsy noho ny zava-nisy nandritra ny fisamborana azy ireo. Raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule, dia teo am-panomanana ny asa ratsiny, amin’izao faran’ny herinandron’ny paska izao, izy ireo, araka ny vaovao voarain’ny zandary. Teo ny fikasana hanafika tokantrano iray tao Tahiti-kely izay malaza amin’ny famarotana zava-mahadomelina mahery vaika, omaly tolakandro. Teo ihany koa ny fanomanan’izy ireo famakiana banky hafa indray eto Toamasina ny faran’ny herinandron’ny paska. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa tratran’ny sikidy nila voatsiary izy ireo tamin’izao fahatrarana azy ireo izao, satria raha ny tanjon’ireto andian-jiolahy ireto dia ny alarobia teo no saika nanaovana ny hetsika rehetra, saingy noho ilay mpisikidin’izy ireo nilaza fa omaly alakamisy sy ny faran’ny herinandro ny paska no voalazan’ny “masina”, dia nahemotra, ka izao tratra ambodiomby izao avokoa izy ireo. Ny zandary Antananarivo no mihazona ny raharaha noho ilay raharaha banky BGFI teto Toamasina, ka eo an-dalana haka azy ireo eto Toamasina ireo mpanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny toby Ratsimandrava ankehitriny, hamantarana ny marina momba ity famakiana banky ity.
Malala Didier