- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversFamakiana ny biraon’ny « Procureur » Ihosy : Lehilahy iray voasambotra, basy maromaro karohina fatratra

Famakiana ny biraon’ny « Procureur » Ihosy : Lehilahy iray voasambotra, basy maromaro karohina fatratra

Taorian’ny fahavakisan’ny biraon’ny lehiben’ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany ao Ihosy, ny alarobia naraina teo, tamin’ny valo ora sy sasany, dia niara-nisalahy ny mpitandro filaminana avy eto Antananarivo « police scientifique » sy tao Ihosy tamin’ny fikarohana ireo jiolahy. Noho ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Zandary sy ny Polisy amin’ny fitadiavana ny olona rehetra voakasika tamin’ny famakiana ny biraon-dRamatoa « Procureur » ity, dia lehilahy iray anisan’ny nanatanteraka ny asa ratsy no voasambotra. Ity farany, raha ny fanazavana azo, dia olona mpifanerasera akaiky amin’ny mpiasan’ny Fitsarana ao Ihosy ihany.

Dosie saro-pady. Mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fikarohana an’ireo jiolahy naman’ity tra-tehaka tafaporitsaka, ka misy ny savahao ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny lalana sy amin’ny faritra samihafa hikarohana an’ireo olon-dratsy sy ireo basy very. Handeha hamonjy asa vao maraina ny lehiben’ny Fampanoavana any an-toerana no nahatsikaritra ny fahavakisan’ny birao fiasany, izay nikorontana ambony ambany, ka nanjavona tsy hita ny basy fihazana vitsivitsy voatazona noho ny raharaham-pitsarana. Tapitra nosavain’ireo mpangalatra avokoa ny toeran-taratasy tao anaty birao izay misy dosie saro-pady, ary niparitaka tanteraka ny antontan-taratasin’ady rehetra. Araka ny tati-baovao voaray hatrany, dia niditra teo amin’ny varavarambe tamin’ny alalan’ny fanalahidy ihany ireo olon-dratsy, fa fanarian-dia fotsiny ny nanapahana ny vy fiaro teo amin’ny varavarankely.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici