- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamakiana ny BOA tetsy Antaninarenina : Naiditra am-ponja ny iray tamin’ireo mpiambina

Famakiana ny BOA tetsy Antaninarenina : Naiditra am-ponja ny iray tamin’ireo mpiambina

Mitana ny sain’ny maro ankehitriny, ny amin’ilay fikasan’olon-dratsy saika hamaky ny Boa tetsy Antaninarenina. Tranga niseho ny alin’ny sabotsy lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana , dia nosamborina ary natolotra ny fitsarana ireo mpiambina roa lahy, niasa teo amin’io banky io ny alin’ny nisian’ny fanafihana. Nalefa any am-ponja ny iray raha nafahana vonjimaika kosa ilay namany. Ilay naratra kosa mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hôpitaly. Raha ny tatitry ny mpitandro filaminana hatrany, dia karazana firaisana tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra sy fanaovana tandrevaka ny asa nankinina tamin’izy ireo no vesatra nisamborana azy. Tamin’ny alàlan’ny « camera de surveillance » teo amin’io banky io nahafantarana ny zava-nisy rehetra nikasika izany, araka ny fanazavana hatrany. Fantatra fa tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nitranga ny famakiana. Niditra ny vavahady vy ireo jiolahy telo nisaron-tava, tsy nitondra afa-tsy « matraques » sy « meule ». Nahitana dian’izany « meule » izany ny varavarana niditra tao amin’ny efitra nisy ilay fizaram-bola mandeha ho azy, saingy tsy voavaha ilay trano fitoeram-bola. Ny mahavariana ihany koa dia tsy nahitana « prise » tao amin’ilay efitra, nahafahana nandefa ilay « meule », raha ny vaovao voaray hatrany. Tamin’ny alàlan’ny « camera de surveillance » anefa no nahafantarana fa tsy rototra akory ny mpiambina iray kanefa hita mazava fa niditra tao ireo ilay jiolahy. Ambonin’izay, voalaza fa nivezivezy sy nivoaka niditra teo ilay mpiambina ary tsy nanidy ilay efitra, nandritra ny fotoana maharitra, talohan’ny nisian’ny fanafihana. Voamarika ihany koa, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana hatrany fa tsy nitondra n’inona n’inona ireo jiolahy tamin’ny fotoana nidirany tao, kanefa nony nivoaka dia nivimbina sakaosy. Nodarohana ny iray tamin’ireo mpiambina, nofatorana ny iray ary tsy nokasihana kosa ilay mpiambina fanintelony. Nidina teny an-toerana nanao ny famotorana rehetra ny pôlisy miady amin’ny heloka bevava sy ny pôlisy siantifika. Miandry ny tohin’ity raharaha ity ny rehetra. Fa indrindra indrindra ihany ny mikasika ireo fanafihana maromaro mirongatra eto an-drenivohitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser